Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 desambra 2016

POEZIA TOLOTANANA

Amin’izao fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao, toy ny fanaony isan-taona dia POEZIA TOLOTANANA ny hetsika izay nokarakarain’ireo pôeta notarihin’i Martelle Nath niaraka tamin’i Iary, Fosa, Narilala, Tsilavina Navalina, Befitia ary Tantsaha Mivoatra ho fanampiana ireo olona sahirana teo Analakely sy ny manodidina ny andron’ny 24 desambra 2016.

Antsa tononkalo teo anoloan’ny CEMDLAC Analakely no nanombohana ny fotoana ary nitohy tamin’ny fizarana vatomamy sy fitafiana ho an’ireo olona sahirana teny ambanin’ny tonelina Ambohidahy izany.

“Tsy voatery hanam-be vao afaka mizara“ hoy i Martelle Nath naneho tamim-pitsikiana ny hafaliany tamin’ity pôezia tolotanana ity izay mendrika halain’ny rehetra tahaka tokoa.

 

Tatitra sy sary : Ikaloyna Vony (Pôetawebs).
 

 

 
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com