Créer un site internet

poetawebs_logo

poeta_malagasy
18 Oktobra 2014
SERA : SEHO SY BOKIN'I NOFY
Tontosa ny 27 septambra 2014 folakandro lasa teo tao amin’ny CGM Analakely ny hetsika nataon’i Nofy. Narahan’ny famoaham-boky nampitondrainy ny lohateny hoe SERA. Nanokatra ny sehatra ny solontenan’ny Minisiteran’ny Asatanana, Kolontsaina sy ny Vakoka, narahan’ny sasin-teny novakian’i Riambola Mitia sy Tahirintsoa.

Solontenan'ny Minisiteran’ny Asatanana, Kolontsaina sy ny Vakoka
 
Niara-nanome aina tamin’ny famakiana ny tononkalo i Soa Ambinintsoa, Nofy, Avelo Nidor, Liantsoa, Vatoary, Nirihaja, Na Hassi, Tsitohery ary Lazarosy izay naneho dihy.

Nofy (ankavia) sy mpiantsa roa nanotrona azy


Nanafana ny sehatra ny tarika Mahavanona sy ny feon-kira trompetra notsofin’i Elie izay tsy iza fa zanak’i Dox. Hipoka ny efitrano.


Eo ankavia i Elie (zanaky Dox), mitsoka trompetra

 

Ny tarika Mahavanona


Rakotondrazaka Rado no anarana nasalotry ny ray aman-dreniny azy any anaty sora-piankohonana. Ankoatra ny maha poeta azy, mpilalao sady mpanoratra tantara fandefa amin'ny onjampeo maro koa ny tenany, ankoatra ny maha mpisehatra azy amin'ny teatra.

Mahakasika ny amboaran-tononkalo "SERA" kosa, notsinjarainy ho "Fehezana" efatra ny votoatiny.

 

Nosantariny amin'ny fizarana fitiavana ny fehezana voalohany, misalotra ny hoe "Emboka".

 

Vetsoiny ao anatin'ny fehezana faharoa, "Hiboka" kosa aorian'izay ny levilevy samihafa iainan'ny zanak'olombelona.

 

Izarany ny tenin'ny fanahy ny fehezana fahatelo "Habaka".

 

Ary famaranana ny fehezana fahefatra "Teboka" izay revy "manala azy".

 

 

 

Tatitra : Ikaloyna sy ny Faribolana Sandratra

Sary : Ikaloyna

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021