Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 jona 2013

NIKIMPY I RÔ

Misaona ny tontolon'ny haisoratra malagasy satria niato tsy hikoriana intsony ny ranomaintin'ny penin'i Rô ANDRIAMANEVA, poeta sy mpanoratra, nodimandry tamin'ny asabotsy 15 Jona 2013 maraina.


Roland Raymond RATSIMIHAH ANDRIAMANEVA, araka ny anarany feno, dia teraka tao Ambohipotsy Antananarivo ny 1 febroary 1939. Tao amin'io toerana io ihany no nianarany ny abidia, sekolin-dry Masera, ary namaranany ny fianarana maha-mpitandrina azy, taty aoriana, tao amin'ny Kolejy Teolojika ny taona 1965.

Fanompoana

Lava dia lava ny tokony hambara raha ny fiainana naha-mpitandrina azy no resahana saingy andeha ho fintinina ihany satria moa ny lafin'ny haisoratra no iompanan'ny tranonkala Poetawebs. Amin'ny maha olon'ny soratra azy dia nitana ny laharana voalohany izy tamin'ny taranja Toriteny teny amin'ny Kolejy - mpikabary rahateo moa izy ka havanana amin'ny fitenenana. Teo ampamaranana ny fianarany izy dia voafidy ho mpitandrina ny fiangonana FJKM Ambohitrarahaba, raha ny marimarina kokoa dia ny 5 Desambra 1967. Na dia herotrerony tokoa aza izy tamin'izany dia naneho fahasahiana niantsoroka adidy mavesatra, araka ny nambarany hoe:

"Fantatro ny laza sy ny toetran'Ambohitrarahaba kanefa raha ho resin'izany Andriamanitra izay fahamarinana dia tsy hijoro intsony ny fiangonana fa hikatona".

Nanangana ny fiangonana Jerosalema Vaovao tao Andafiavaratra Ambohitrarahaba izy tato aoriana ary niroborobo be izaitsizy ny fiangonana mandrankehitriny. Tao ihany no nisotroany ronono tamin'ny asa fanompoana izay nanjary Fiangonana FJKM Andafiavaratra Ambohitrarahaba taty aoriana. Ambonin'ny fitondrana fiangonana dia efa voafidy ho tonian'ny Sinodam-Paritany Ambatonakanga koa izy tamin'ny 1975.

Fanaovan-gazety

Ankoatra ny fianarana ho mpitandrina dia efa nianatra lalàna izy tamin'ny 1959-1960 ary mpianatra ho mpanao gazety koa tamin'ny 1966-1967 saingy tsy afa-nanohy ny taona faharoa noho ny adidy mavesatra nolanjainy teo amin'ny fiangonana. Ireto avy no azo tanisaina amin'ny andraikitra notanany tamin'ny gazety.

 

 

  • 1968-69 : niandraikitra ny gazety FANEVA
  • 1973 : niara nanorina ny gazety AKO TAKARIVA tamin'Atoa RAZAFINDRAZAKA
  • 1976 - 1977 : voafidy ho Mpitahiry vola tao amin'ny Holafitry ny Mpanao Gazety.

Efa mpanentana ny fandaharana "DIAM-PENINA SY RITSOKA" ary koa ny "TSIOKAM-PIAINANA" tao amin'ny RADIO FEON'NY MERINA koa i Rô ANDRIAMANEVA.

Fikambanana

Tamin'ny fahatanorany dia mpikambana tao amin'ny AJDM (Association de la Jeunesse Démocratique de Madagascar) izay niova ho FTDM tamin'ny naha Birao Nasionaly azy. Mpikambana ao amin'ny vondrona lahika CEMEAM izy.
Mpikambana tao amin'ny HAVATSA UPEM izy nanomboka tamin'ny 1956 ary tonian'ny Birao Nasionaly hatramin'ny 1962.

Diampenina

Ny taona 1955 izy no nanomboka nanoratra tao amin'ny gazety LOHARANO ary nahazo ny loka faharoa tamin'ny fifaninanana tantara  indray miseho.
Anarana diampenina nosalorany tany ampiandohana ny "NY ORAM-PANALA". Rô ANDRIAMANEVA kosa no mahazatra antsika taty aoriana.

Ireto avy ny boky nosoratany :

 

 

 

  • Bitsika Krismasy (1968)
  • Sangondina (1972)
  • Iraka (1975), amboaran-tononkalo
  • Setro-tsigara (1977), tantara
  • Hetraky ny tolona, Tantara tsangana
  • Lova Tsy mifindra (2006) - mbola tsy nivoaka

Ankoatra ireo dia betsaka ireo tononkalony navoaka an-gazety (gazety HEHY ohatra) sy ireo boky tokony ho nivoaka saingy tsy mbola vita printy.

Ny tononkalom-pitolomana no tena novoizin'i Rô ANDRIAMANEVA ka nampivelatra ny aingam-panahiny : "29 mars", "Vonona ny Malagasy"... Mifandraika rahateo amin'ny tolom-piainana nodiaviny izany.

Mpikamban'ny HAVATSA UPEM hoy isika etsy ambony i Rô, fa izay Rô izay indrindra mantsy no fiantsoan'ireo namany poeta sy mpanoratra azy. Andeha hasiana tsindrim-peo manokana ireo fandraisana anjara nahitana azy farany tao amin'ny fikambanana.

 

 

  • Ao amin'ny boky iombonana "TATAMO MANOKANA", nivoaka tamin'ny 2007 no nisavasavany ny tantaran'ny HAVATSA UPEM, takila 8 : "NY UPEM (HAVATSA) - INDRAY MITOPY MASO"
  • Ao amin'ny boky iombonana natao ho tsangambaton'ny faha 60 taonan'ny HAVATSA UPEM, takila 291, no voarakitra ny sombin-tantara noforoniny "NY  HERIN'NY FINOANA", izay mampientanentana sy mampihetsi-po tokoa satria mifangaro ao ny tahotra sy tebiteby, ny fiezahana ary ny finoana indrindraindrindra, izay mifandraika mihitsy amin'ny zava-misy iainana amin'izao fotoana izao.
  • Tamin'ny fiandohan'ity taona 2013 ity dia notolorana ny mari-boninahitra "Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture" izy, tao anatin'ny fankalazana ny faha 60 taonan'ny HAVATSA UPEM. Io andro io no nisehoany ampahibemaso farany teo amin'ny haisoratra. Marihana koa fa manana ny mariboninahitra "Officier de l'Ordre National Malgache" izy.

 

 

Ireo nosalorana ny Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture miaraka amin-dRtoa Elia RAVELOMANANTSOA, Ministry ny Kolontsaina sy ny Vakoka : Jly RAMAKAVELO (MADERA), Rô ANDRIAMANEVA, DI ary Faustin RAHARISON

 


Nihaona matetika tamin'ny sampan'ny HAVATSA UPEM any Frantsa i Rô, ary izy indrindra moa no nitondra ny hafatry ny Birao Foibe ho fankatoavana ny fananganan'izy 10 mianadahy an'izany sampana izany tamin'ny 2004.  

 

 

 

 

Fihaonan'i Rô tamin'ny Havatsa Frantsa. Ankavia miankavanana :
Fredy Jaofera, Ny Kanto, Rô, Lalaina

 


Ny HAVATSA UPEM dia tonga namangy azy teny andoham-parafarany teny amin'ny Hôpitaly tamin'ny herinandro lasa teo izay nahitana an'i THINA ANDRIAFALY, AMPAMOHA, IPA ANDRIAMANGATIANA, FARA-H, DI (ialan-tsiny raha misy hadino).

Ny andron'ny asabotsy ihany izay nandaozan'i Rô antsika dia tonga nitsapa alahelo ny fianakaviany sy niondrika teo aminy koa ny HAVATSA UPEM, izay nahitana an'i THINA ANDRIAFALY, AMPAMOHA, IPA ANDRIAMANGATIANA, FARA-H, GRIFFIINE, HAJAINA (ialan-tsiny raha misy hadino).

 

 

 

 

 

Voafehiny tsara ny fampirimàna ny fiainam-pianakaviana, fiainam-pinoana ary ny sehatry ny haisoratra araka ny hafatra nomen'i Dr Paul RADAODY RALAROSY azy, izay tsy iza fa anadahin-dreniny, ary Filoha Malagasy voalohany tao amin'ny Akademiam-Pirenena Malagasy.

Nifanerasera sy niara-niasa tokoa izy mirahalahy teo amin'ny soratra ary santionany ihany ny tononkalon'i Rô, "valin-kira" natolony ho azy : "Vonona ny Malagasy". Mpiantsa matetika ny tononkalon'i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA koa izy, izay fianakaviany ihany rahateo.


Ny soratanana hita eo amin'ny takelaka eo ankavanana dia an'i Dr Paul Radaody Ralarosy, natolony ho an'i Rô tamin'ny 4 Martsa 1967, voarakitra ao amin'ny takila voalohan'ny bokin'i NY ONJA Andriamboavonjy BENJAMINA RANAIVO "Ohabolana malagasy hazavain'NY ONJA".

 


Poetawebs

I Rô ANDRIAMANEVA no voalohany namoaka famakafakana tononkalo teto amin'ny Poetawebs "NIKIMPY AHO". Anisan'ireo mpamatsy soso-kevitra ho fanatsarana ny tranonkala sy ny poezia malagasy koa izy. Ireto avy ny tononkalony voarakitra ato amin'ny tranonkalanao :

Fanaovam-beloma farany


Androany tamin'ny 2 ora tolakandro no niainga avy tao an-tranony etsy Itaosy Cité des Assureurs ny nofo mangatsiakan'i Rô ANDRIAMANEVA, ary nentina ao amin'ny FJKM Andafiavaratra Ambohitrarahaba, ka andrasana ao amin'ny Fiangonana hatramin'ny alarobia 19 Jona 2013. Manomboka eo dia ny fiangonana no miandraikitra tanteraka ny fikarakarana azy araka ny fomba kristianina. Io alarobia io no hanaovam-beloma azy farany ka  hametrahana azy ao amin'ny fasana vaovao natolotry ny Fiangonana ho azy ao amin'ny tanim-piangonana ihany.

Ireo mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Poetawebs dia miondrika sy misaotra azy ampanajana noho ny ezaka rehetra nataony teo amin'ny mpiara-belona aminy sy teo amin'ny tontolon'ny poezia malagasy.

Toetra RAJA
Sary : Fredy Jaofera, Thina Andriafaly

 

 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 09/02/2019