Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

23 marsa 2017

 

HANITR'ONY, MPIARAMISALAHY AO AMIN'NY POETAWEBSPôetawebs 2017

Tonga nanatevin-daharana ireo mpiara-misalahy ao amin'ny Pôetawebs i Hanitr'Ony nanomboka tamin'ny fiandohan'ity volana marsa ity. Pôetan'ny HAVATSA-UPEM (filohan'ny sampana Frantsa) izy sady mpiandraikitra fandaharana antsoina hoe Bitsiky ny ankizy ao amin'ny Radio Bitsika (Frantsa).

Mpiaro sy mpankafy ny Teny Malagasy i Hanitr'Ony ary miezaka mampita ny haisoratra malagasy ho fantatry ny ivelan'ny Nosy. Izay traikefa sy andraikitra ananany any ivelan'ny Nosy izay no herijika entiny zaraina amin'ireo mpiseran'ny Pôetawebs ary ahafahany miara-mitankosina amin-dry Ikaloyna Vony, Andrianasolo Hajaina, Doda Razafindravelo, Léa Fandresena, Heriarilala ary i Toetra Ràja.
Miarahaba azy sy manolotra azy am-pifaliana ho an'ny mpiserany ny ekipan'ny Pôetawebs.

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

 

 

Date de dernière mise à jour : 23/03/2017