Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

28 avrily 2017

HAVÀTSA-UPEM Arivonimamo - Hetsika volana jona

Pôetawebs 2017Teraka tamin’ny taona 2001 ny sampana HAVÀTSA-UPEM ao Arivonimamo. Ny angady nananana ka nanorina izany dia HOBIANA na RAZANAJATOVO Andrinimerina Hobiana (Poeta sady Mpanoratra), izay Filoham-boninahitry ny Fikambanana ankehitriny, niaraka tamin’ny mpampianatra sy mpianatra vitsy tao amin’ny Lisea Katolika Coindre Arivonimamo. Efa maro ny mpikambana nandalo tao anatin’izany fikambanana izany, telo no Filoha efa nifandimby.

Maro no efa zava-bita raha tsy hilaza afa-tsy ny boky “Mbola hitohy”, ny boky navoakan’ny mpikambana, ary tena mbola hitohy tokoa ity hetsika ara-tsoratra ity satria dia efa maro no hetsika notanterahina tao anatin’izay fotoana azo lazaina hoe fohy kanefa manan-danja lehibe.

Hatramin'ny taona 2016 nitantanan'ny birao am-perinasa dia efa nandia lalana maro ny fikambanana, anisan’izany ny fitantarana angano ho an’ny ankizy madinika, ny “alin’anoka”, ny “takarivan’anoka”, ny “atrik’asa” ary ny fisehoana amina haino aman-jery izay entina mampahalala fa miaina sy mivelona ny Fikambanana. Ny tsy kely indrindra dia ny fandraisana anjara amin’ny seho iarahana amin’ny HAVÀTSA-UPEM Foibe.

Raha ny mpikambana ao anatiny no jerena amin’izao fotoana izao dia eo amin’ny telopolo eo, mpianatra no ankabeazany ary hita fa tena liana tokoa izy ireo amin’ny asasoratra malagasy.

Fa andeha hiverenantsika ny anton’izao lahatsoratra izao dia ny hetsika izay hotanterahina amin’ny alahady 11 jona 2017, hatao ao amin’ny FJKM Arivonimamo Maritiora Fitiavana, iarahana amin’ny Sampana Tanora Kristiana Feo sy Antso ao amin’ny Fiangonana. Nahoana tokoa moa izy ireo no nisafidy io hetsika sy fiaraha-miasa io ka any am-piangonana no hanaovana azy? Hahafahana manambara fa ny talenta dia misandrahaka amin’ny sehatra maro, izay talenta voajanahary avy amin’Andriamanitra tokoa satria miainga amin’ny Fanahy no hanandratana ny teny malagasy ho zary lasa kanto. Ka amin’io fotoana io dia ahitana lohahevitra efatra:

- Tononkalo fiderana sy vavaka;
- Enjikenjim-pivavahana;
- Trangam-piarahamonina
- Antsa ho an’ny firenena.

Ny HAVÀTSA-UPEM no hanatanteraka ny antsa fa ny STK Feo sy Antso kosa no handravaka izany amin’ny hiram-bavaka, fa talentany tokoa mantsy ny maneho hira. Marihina moa
fa izao hetsika izao dia entina hanamarihana ny iray volan’ny teny Malagasy, ny iray volan’ny ankizy ary ny fankalazana ny fetim-pirenena sahady. Ary satria moa mpianatra avokoa ny mpikambana ary maro amin’ izy ireo no manomana fanadinana ara-panjakana dia io fotoana io no entina hamaranana sy isaorana an’Andriamanitra noho ny taom-piasana 2016-2017. Amin'ny volana oktobra, mifanandrify amin'ny fidiran'ny mpianatra, no hanombohana ny taom-piasana manaraka. 

Ny HAVÀTSA-UPEM Arivonimamo dia manentana antsika rehetra mpankafy sy mpandala ny teny malagasy mba hiara-hianoka aminy amin’izany fotoan-dehibe izany dia ny Alahady 11 jona 2017 amin’ny 2 ora sy 30 ao amin’ny FJKM Arivonimamo.

RAVOROMBATO Ony Lantoarimamy.

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com