poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

03 jona 2018
FIFANINANANA TOHOTANTELY

Tontosa antsakany sy andavany ny fifaninanana Tohotantely izay nokarakarain’ny Fikambanana MAMIO (MAlagasy MIOmbona), ho fampiroboroboana ny teny malagasy teo
anivon’ireo sekoly samihafa toy ny Sekoly F.J.K.M. Rasalama, F.J.K.M. Fenoarivo, F.J.K.M. Ambohijatovo Avaratra ary F.J.K.M. Amboniloha nandritra ny volana mey 2018 lasa teo.

Ny MAMIO moa dia sehatra ivondronan’ireo mpandalina ny maha malagasy izay miezaka hitandro hatrany ny teny Malagasy tsy ho lefin’ny vanim-potoana mifandimby sy tsy ho potiky ny fiheverana samihafa.

Voalaza ao amin’ny andininy faha-15 ao amin’ny Politika momba ny kolontsaina mantsy fa ny teny malagasy no enti-mifandray, hampiroboroboana ny fiarahamonina sy ny fanabeazana eto MADAGASIKARA. Koa mahatsiaro ho manana adidy mbola tsy efa eo amin’ny mpiara-belona ity fikambanana ity ary vonona hatrany ny hamelo-maso, hanasongadina ary hampita fomba fiheverana hitandroana hatrany ny teny Malagasy mba hanorenana hoavy maharitra amin’ny taranaka Malagasy mifandimby.

Nahoana moa no hoe TOHOTANTELY?

Raha ny hevitry ny voambolana hoy i Tsikimilamina Rakotomavo avy ao amin'ny fikambanana MAMIO dia mandray roa:
- ny tohotra dia tranon-tantely fametrahan'ny renitantely ny mamy;
- ny tohoka indray dia fametrahana eo am-bava zavatra iray ampoizina ho misy tsirony sy finy.

Teny notsoahina tao amin'ny Baiboly eto ny Tohotantely, bokin'ny Ohabolana 16:24 manao hoe: "Tohotantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin'ny fanahy no mahatsapa ny taolana".

Raha ny hevitenin'ny Baiboly no jerena dia fomba iray hampitana fahendrena sy fahalalana ny teny mahafinaritra.
Ampitahaina amin'ny tohotantely araka izany ny teny mahafinaritra ary itoeran'ny fahombiazany hatrany ny olona maneho azy. Noheverin'ny MAMIO fa toy izany koa ny teny malagasy noho izy mitondra hafaliana sy fanasitranana eo amin'ny lafiny maro, ka tsara eo am-pitenenana ary mahasoa ihany koa ny hafa izay fizarana izany.


Dingana dimy no narahina

Dingana dimy no narahina tamin’izany dia ny:

- Fanontaniana ombam-baliny izay niezahan’ny mpiadina namaly ny fanontanina mikasika ny fototra iorenan’ny F.J.K.M.
- Ahitsio ny diso izay nijeren’ny mpandray anjara ny tsipelina diso tamin’ny fehezanteny maromaro natolotra azy
- Tadidy izay hanehoana fihetsika mifandraika amin’ny fehezanteny naroso ny mpiadina
- Vakiteny izay namakian’ireo mpandray anjara lahatsoratra sy tononkalo mifanesy
- Famoronana Tononkalo izay niompana tamin’ny hoe "Tohotantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana". Oha 16:24
 
Niavaka tokoa ny hetsika noho ny fahavitrihan’ireo mpianatra taona faharoa sy voalohany nifaninana teo anivon’ireo sekoly voalaza tetsy ambony. Nisy hatrany moa ny fanentanana notontosain'i Tsikimilamina Rakotomavo mpikamban'ny Mamio, izay natao hanintonana ny rehetra amin’ny hakanton’ny teny Malagasy. Araka ny nambarany dia Mpianatra mahafehy, miaina ary mankamamy teny Malagasy eo amin’ny sehatra misy azy no tanjon’izao fifaninanana izao.

Taorian’ny fifaninanana no nanolorana ny mari-pankasitrahana sy valisoa ho an’ireo mendrika. Ny mari-pankasitrahana moa dia nosoniavin’ny Filohan’ny F.J.K.M , ny tonian’ny Departemantan’ny Sekoly F.J.K.M. ary ny MAMIO.

Tiana ny manamarika fa nisy ny nanohana izao hetsika izao, dia Atoa Ratrema William lehiben’ny Vondrom-panabezana ACEEM, Esther Randriamamonjy filohan’ny Foibe momba ny teny, solontenan'ny sampandraharaha iray ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Natur’eau ary ireo tsara sitrapo rehetra izay nifanohana ara-kevitra sy ara-pitaovana.



Koa indro àry misy santionany tamin’ireo famoronana tononkalo nisongadina nandritra izany fotoana izany:
 
Randriamialisoa Ismaël (Sekoly F.J.K.M. Amboniloha)
 
Teny
Tononkalo !
Hanoratra aho ho teny
Ho anareo mpirenireny
Hanoratra aho ho vatsy
Ho entinareo hamakivaky
Ny tany efitry ny fiainana
Hanoratra aho ho harena
Mba hananarana ny tena
Hanoratra aho ho tantely
Mba ho fy sy mamy kely!
 

Valimbavaka Finoana Fifaliana Diary Fitahiana (Sekoly F.J.K.M. Ambohijatovo Avaratra)
 
Tohotantely ny teny mahafinaritra
Ka sady mamin’ny fanahy
No mahatsara ny taolana
Ka mampijoro hatrany
Mamelombelona aina ny teny mahafinaritra
Ka sady mirana ny saina
No mahazoazo aina
Ka faly izany tena
Tohotantely ny teny mahafinaritra
Ka sady finaritra ny aina
Ny fo toa finaritra
No mirana ny saina
Izay toa efa vasobasoka


RANDRIANTSOA Heritiana Tsiory (Sekoly F.J.K.M. Fenoarivo)
 
Mamy eo am-bava ny teny mahafinaritra
Koa andeha hokajiana sy hajaina mba haharitra
Hotiavina, tsinjovina sy arovana
Fa mamelona fanahy reraka torovana
Mamy tena mamy
Manatanjaka ny vatana


Marihina fa ny fifaninanana eo anivon'ny sekoly F.J.K.M. no tontosa saingy mbola mitohy ireo hetsika ho fampiroboroboana ny teny malagasy eo amin'ny sahan'ny F.J.K.M. amin'ny alalan'ny:
 
- Velakevitra ao amin'ny F.J.K.M. Ambatonakanga amin'ny 4 jona
- Velakevitra ao amin'ny Kolejy Teolojika Ivato ny 12 jona
- Velakevitra ao amin'ny Akademiam-pirenena Malagasy ny 22 jona
- Fanangonana voambolana isam-paritra hatramin'ny faran'ity taona 2018 ity

Izahay eto amin'ny Pôetawebs dia mankasitraka ny F.J.K.M. sy ny MAMIO ary ireo mpandray anjara rehetra amin'izao fampiroboroboana ny teny malagasy izao. Singanina manokana koa ny fiarahabana ireo sekoly sy mpandray anjara ary ireo mendrika tamin'ny fifaninanana "Tohotantely".

Tatitra:Toetra Ràja
Sary: Tsikimilamina Rakotomavo
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 04/06/2018