poetawebs

Ny  poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny .

(T.Ràja)
27 novambra 2018

FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


Ny 20 jona 2018, tao amin'ny Foiben'ny COI (Commission de l'Océan Indien) ao Ebène (Nosy Maorisy), no nametrahan'ny COI tamin'ny fomba ofisialy ny fifaninanana manoratra (tantara, sombintantara, angano, tononkalo...) antsoina hoe Loka Indianocéanie.
Nisy mpanoratra avy eto Madagasikara nandray anjara tamin'izany, toy ny avy tao amin'ny Nosy Maorisy, Kaomoro, Seisela ary La Réunion. Samy manana mpitsara iray avy ireo firenena ireo ka ny Dr Tsikimilamina Rakotomavo no niantsoroka an'izany adidy izany ho antsika.
Vita soa aman-tsara ankehitriny ny fitsarana ka amin'ny alakamisy 29 novambra izao no hambara amin'ny fomba ofisialy any amin'ny Nosy Maorisy ny vokatra.
Manaraka akaiky ny vaovao any an-toerana ny tranonkalanao Pôetawebs ary mampanantena tatitra sy sary ho an'ireo mpiserany.

Lahatsoratra : Toetra Ràja

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/11/2018