Créer un site internet
  • poetawebs_logo poeta_malagasy

RAKOTONDRAVELO Hajatiana RodinAvelo-Nidor, hankalaza ny faha 15 taona niantsana tononkalo...

Hivoaka ny 25 oktobra ho avy izao ny cd-audio mirakitra ny sanganasa voafantina… ahitana tononkalo 30 amin’ny loko samihafa toy ny (fanahy, politika, sosialy, fahafatesana, fitiavana…) ary misy dikanteny amin’ny teny frantsay vitsivitsy nataon’i Na Hassi Izay antsain’ireto mpiantsa ireto:


- Avelo-Nidor
- Tsitohery
- Riambola Mitia
- Na Hassi
- Tsiahy Andrianina
- Nirivelo

Misy ihany koa ireo mpitendry ny feo lafika toa an’i Elie Ramasindraibe (guitare, flute, sax), Semanjaka (guitare).

Anisan’ny nanampy tamin’ny fikarakarana ity vokatra ity moa i Mihoadia izay mpanoratra namany avy any Bongolava…

Io vokatra vaovaon’i Avelo-Nidor io dia ho hitantsika mandritra ny antsantononkalo ataon’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cgm Analakely ny 25 Oktobra 2014 amin’ny 3 ora tolakandro ary hisy valonan-taratasy* amidy miaraka amin’ny boky KARAMBOLANA izay avoakan’ny Faribolana Sandratra amin’io fotoana io ihany koa.

Fampahantsiahivana fohifohy ny lalana efa nizoran’ity mpanoratra ity

1999
Voaray ho isan’ny Faribolana Sandratra… ary Poeta anisan’ireo notaizan’i Solofo-José, elie rajaonarison, RaNôe, Nalisoa Ravalitera… izay anisan’ny Raiamandreniben’ny Faribolana Sandratra

2002-2013
- Niantsehatra hatrany tamin’ny alalan’ny famoahana boky niarahany tamin’ireo mpanoratra namany tao amin’ny Faribolana Sandratra. (RONJOM-BAZO, SANGODIM-PITIA, FANAHY BORIDANA, ANJORIA, ZIVA,…)
- Nanao famelabelaran-kevitra niaraka tamin’ireo mpanoratra namany tany amin’ireo sekoly maro teto amin’ny Nosy.
- Mpilalao tantara an-dapihazo ao amin’ny Faribolana Sandratra.

2010
Namoaka ny boky tsangan-tononkalo MAMPANGIDIHIDY…

2013
- Namoaka ny boky amboaran-tononkalo “ary tamin’izany andro izany…”
- Nomena ny mari-boninahitra Chevalier de l’ordre des arts et des lettres de la culture.

Hisy ny fampisehoana goavana amin’ny taona 2015 hanamarihany io faha 15 taona niantsany tononkalo io.
_________________
* Nandikana ny teny frantsay hoe Dépliant.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×