poetawebs

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


01 septambra 2009
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Faribolana Sandratra - 20 taona

— Lahatsoratr'i Toetra Ràja 

Raha misy antokon’olona niezaka nitarika ny tanora hitia ny haisoratra malagasy dia anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny Faribolana Sandratra izay tsy nitsaha-nandroso tamin’izany lalana izany nandritra ny 20 taona. Na dia tsy mandray ny fitsipika anatiny ho toha-drafitry ny antom-pisiany aza ny Faribolana dia misongadina indrindra ny fifehezan-tenan’ny tsirairay ao anatiny ka nahavitany zavatra manan-danja mandritra izay taona maro nodiaviny izay.

Tamin’ny 1989 araka izany no noforonina ny Faribolana Sandratra ka ireto avy ireo vy nahitana tamin’izany : Solofo José, Ilay, Ranoë, Niry Solosoa, Elie Rajaonarison, Nalisoa Ravalitera, Rakotonirina Gérard, J.Nalisoa, Lydiary ary A.R.Ni. Roanjato mahery ny mpikambana ankehitriny ary miely manerana ny nosy izy ireo.

Hilaza ny iaraha-mahita izahay raha hitanisa ireo fitaovana vitsivitsy fampiasany :

• Antsan-tononkalo ao amin’ny C.G.M. isaky ny alarobia fahefatra sy ao amin’ny Tranompokonolona Analakely isaky ny alarobia faharoa
• Fanontana ny gazety Ambioka, miaraka amin’i Madprint, mivoaka isam-bolana hatramin'ny 1997
• Fiaraha-mikorana amin’ny « Alim-betso »
• Fivelaran’ny mpandray anjara any amin’ny faritany
• Fampielezana sangan’asa any amin’ny hainoamanjery
• Boky dimy no efa natonta, miampy tsangan-tononkalo sy tantara iraika ambinifolo.

Teraka tamin’ny 1989 ny Faribolana Sandratra ary mankalaza ny faha 20 taonany ankehitriny. Hetsika maro no efa vita sy mbola ho avy :

• 26 mey (C.G.M.) - Valan-dresaka amin’ny mpanao gazety
• 27 mey (C.G.M.) – Antsan-tononkalo nampitondraina ny lohanteny hoe “Fotoana mihantona” nifarimbonan’i Solofo José, Tahirintsoa, Avelo Nidor
• 29 mey – 6 jona (C.G.M.) – Fampirantiana momba ny 20 taonan’ny Faribolana Sandratra
• 2 jona – Fifampidinihana nataon’i Elie Rajaonarison sy Solofo José nampitondraina ny lohanteny hoe : « nofy tonga teny, teny lasa soratra, soratra miSANDRATRA »
• 6 jona (Antsahadinta) – Alim-betso
• 1 aogositra (C.G.M.) – Fampisehoana tantara tsangana “Folera”, narafitra tamin’ny alalan’ny tononkalo 30 noforonin’ny Mpiray Faribolana hatramin’ireo any amin’ny faritany
• 15 aogositra (Tahala Rarihasina) – famerenana ny fampisehoana ny tantara tsangana “Folera”. Tamin’io andro io ihany koa no nivoahan’ny boky “Angaly”, tsangambaton’ny faha 20 taona ahitana ny tononkalon’ny mpiray Faribolana
• Faran’ny volana aogositra (Lazaina) – Alim-betso
• Misy koa ny fitetezam-paritra ataon’ny Faribolana Sandratra.

Nisy fifaninanana manoratra tononkalo na sombin-dahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « Hamaly sa Hanoratra? » izay tafiditra tao anatin’ny fankalazana. Niarahana tamin-dRamaherison Rado izany satria nifanojo tamin’ny faha-15 taona nanoratan’ity poeta ity. Nahitana mpandray anjara 40 mahery ny fifaninanana ka anisan’izany ny avy tany Toamasina, Antsirabe ary Mahajanga.


poetawebs@gmail.com
 

Date de dernière mise à jour : 04/01/2019