Nalisoa Ravalitera
— Lahatsoratr'i Toetra Ràja —
Anisan'ny hanafana ny sehatra amin'ny 24 febroary 2010 ho
avy izao ao amin'ny C.G.M. i Nalisoa RAVALITERA. Mpampianatra, poeta
(tononkalo 500 eo ho eo), mpanoratra bokim-pianarana (Fary Mamy),
mpanoratra tantara sns. Anisan'ireo vatolampin'ny fanagasiana koa izy
ary na dia ny "doctorat"-ny aza dia nataony tamin'ny teny malagasy
ranoray hatramin'ny sedra farany teo anoloan'ny mpitsara.
Mpikambana ao amin'ny HAVATSA-UPEM sy FARIBOLANA SANDRATRA izy, eny fa
na dia maningana ihany aza ny fahitana olona iray midi-droa tahaka izao.
Betsaka ny boky navoakany. Eo amin'ny lafin'ny fampianarana dia tsy
zoviana amin'ny maro intsony ny FARY MAMY - amboara 7 - niarahany
namolavola tamin-dry RABEMOLALY FANOMEZANA, RAVELOMANANA Hermann ary
RAMILIARISON Henri. Nampiasaina mivantana tany an-tsekoly koa ny bokiny
manokana "TAPA-POROHANA". Nisy diam-peniny aza moa efa nosedrain'ny
mpianatra niatrika ny fanadinana Bakalorea. Nisy koa ireo
bokin-tononkalo hafa navoakany toy ny "Fitia sy fitia". Amin'ny maha
mpanoratra tantara azy dia singanina eto ireo bokiny "MADE" sy "ZETRA".
Ambonin'izany dia navitrika tokoa izy tamin'ny famoaham-boky niarahany
tamin'ireo MPIRAY FARIBOLANA aminy toy ny TONTOLO ISAINANA,
SANDRATR'ANTSA, FARARANO TONONKALO.
Nitana andraikitra lehibe teto amin'ny firenena izy talohan'ny
nandehanany nisotro ronono satria voatendry ho talen'ny teny, boky,
vakiteny tao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy Fizahantany. Tsy
nohamaivaniny tamin'izany ny fampijoroana ny rafitry ny fanagasiana.
Nampahafantatra izy tamin'ny 2005 fa tsy azo hidovirana ny fampiasana
ny teny malagasy amin'ny tenim-pampianarana any amin'ny ambaratonga
fototra amin'ny maha tenin-dreny azy. Tsy amim-pahamaizana intsony toy
ny natao tamin'ny fotoana teo aloha ny fanagasiana novolavolaina fa efa
ananana avokoa ireo foto-drafitrasa entina anatanterahana izany. Izany
akory tsy misakana ny famporisihana ny mpianatra tsy hianatra
tenim-pirenena hafa indrindra amin'izao andron'ny fanatontoloana izao.
Amin'ny 24 febroary 2010 ho avy izao no hifampitaona amin'ireo mpakafy
poezia malagasy izy sy ireo mpiray FARIBOLANA aminy, dia i Om-Gui sy
Ranoe izany, ao amin'ny C.G.M. amin'ny alalan'ny loha-hevitra
RESA-PITIAVANA, mitondra ny lohateny hoe : HIRAN'NY MATOY.
Pôetawebs©2018 -
poetawebs@gmail.com
|
Date de dernière mise à jour : 21/02/2019