Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

13 jolay 2017

TOLO-TANANA HO AN'I HAINGO

"Tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao"

Vita soa aman-tsara ny tolo-tanana izay natao ho an'i Haingo tamin'ny 12 jolay 2017 teo, tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Rado. RANDRIAKOTO Samuelson Daumet, Tale Jeneralin'ny OFNAC no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy izay notronin-dRAHANTANIAINA Wilma, anabavin'i Haingo, ary nahitana mpanao gazety sy mpanotrona maro samihafa. Nisantatra ny antsa i Tsiky Rakotomavo avy ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asatanana ary ny Fiarovana ny Vakoka. Nandray fitenenana koa i Niry-Solosoa mpamorona ny Sandratra. Anisan'ireo mpanakanto hita tao i Tovo J'hay sy Mamy Robison.

Fantatra tamin'izany fa marary mafy tokoa i Haingo ankehitriny ary mila ny fanohanantsika poety namana sy ny olon-drehetra! Noho izany dia manainga antsika rehetra, eny, fa na ireo any amin'ny faritany aza hanolo-tanana azy. Afaka mitsidika azy ao amin'ny Hôpitalin'ny Befelatana koa izay te hahita azy sy izay vonona hanome fanampiana ny fianakaviana. Miantso antsika namana ihany koa ny fianakaviana izay afaka manolo-tena hiandry azy ao amin ny hopitaly, Bâtiment A "Pneumologie", efitrano 204.

Ankasitrahana indrindra izay tonga nanotrona na poety na mpanakanto na olon-tsotra, indrindra fa ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo amin'ny tontolon'ny soratra toy ny OFNAC. Sitraka sy telina Tompoko!

Tatitra sy sary: Hanitra Randria

 Amboaran-tononkalon'i Haingo RAHANTANIAINA Wilma, anabavin'i Haingo
   
RANDRIAKOTO Samuelson Daumet
Tale Jeneralin'ny OFNAC
Niry-Solosoa
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 14/07/2017