Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

26 novambra 2017

Pôetawebs 2017

Telo andron’ny Havàtsa-Upem Arivonimamo

Ny «Telo andron’ny Havàtsa-Upem Arivonimamo» izay tokony ho notontosaina ny volana ôktôbra lasa teo dia tanterahina manomboka ny Sabotsy 25 novambra 2017 amin’ny 2 ora amin'ny alalan'ny famoaham-bokin’ny Mpikambana “Miary Fanahy”, mpikambana mahefa, nampitondraina ny lohateny hoe: “LAKOLOSY FAHATELO”. Izany moa dia hita ao amin’ny CEMDLAC Analakely Antananarivo, hianohana antsa tononkalo ravahana dihy miaraka amin’ny mpanankanto : Andry Rabe, izay efa mpiara-miasa amin’izy ireo hatrany.

Ny Zoma 1 desambra 2017 manomboka amin’ny 10 ora maraina kosa dia lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasana 2017-2018, izay andrafetana ny fomba fanao Havàtsa rehefa misy ny hetsika. Ny fanolorana salotrasina ho an’ireo mpikambana nahafeno ny fepetra, ny fampirantiana ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana sy ireo nanorina ny fikambanana Havàtsa-Upem.

Ho hita ao ihany koa ny sangan’asan’ireo mpikambana ao an-toerana. Io andro io dia ravahin’ny mpanankanto TAFASIRY KOLO KANTO izay manana ny maha izy azy ihany koa eo amin’ny famelomana ho hira ny sangan’asan’ireo mpanoratra fahiny.

Ny Sabotsy 2 desambra 2017 kosa dia mizara roa mazava ny hetsika: manomboka amin’ny valo ora maraina dia fanohizana ny fampirantiana izay azon'ny be sy ny maro tsidihina. Ary ny tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany dia antsa tononkalo nampitondraina ny lohateny hoe: «FILAZAN-TSARIN’NY ALINA» izay tontosaina mpanoratra telo anaty taom-polo mifampitohy dia «Hobiana-Riva-Ikaky RH». Marihina moa fa ity seho ity dia hiavaka tokoa satria hiara-hiasa ny mpanoratra telo lahy izay samy manana ny lentany manokana tokoa. Izao hetsika rehetra izao dia misy mpiahy azy: ny Ben’ny Tanànan’Arivonimamo Ambonivohitra, A8ndriamatoa RAZANAKOTO Jaona sady mpanohana ny hetsika rehetra hatramin’izay. 

Tatitra: Ony Ravorombato

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 27/11/2017