Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

28 desambra 2017

DIA MANAVÀTSA TANY AM-PITANDRANOMASINA

PARIS
Fararanon’ny haisoratra tao Frantsa nandritra ny andro maromaro nankalazana ny Herinandron’ny Havàtsa, ny volana novambra sy desambra 2017. Hanome lanja ny teny malagasy sy ny zava-kanto vita amin’ny teny, amin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Havàtsa, no nikarakaran’ny Foibe sy ny Sampana Frantsa ny dia ka nahatongavan’ny Delegasiona Havàtsa-Upem nandritra ny “Iray volan’ny Haisoratra tao Eoropa“.

Raha vao vita fotsiny mantsy ny Herinandron’ny Havàtsa tao Antananarivo izay efa fotoam-bitan’ny Havàtsa isan-taona amin’ny mpakafy haisoratra sy teny, dia nandray ny fiaramanidina nankany Parisy ny Delegasiona notarihin’ny Filoha Ramatoa HAJAINA NAOMY ANDRIANASOLO niaraka tamin’ny Mpanolotsaina amin’ny hetsika Literera dia HANTANORO R’ABEL.

Valandresaka ho an’ny mpanao gazety no nanombohana ny fotoana ny 31-10-2017 tao Parisy, niaraka tamin’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny vehivavy ao Frantsa sy ao Madagasikara (AIFM). Nanolotra ny fandaharam-potoana ny filohan-tsampana Hanitr’Ony Salomon rehefa avy naneho fohy ny tantaran’ny Havàtsa ary nandefa hafatra manokana ho an’ny mpamaky sy ny Malagasy ny Raiamandreny Abel Andriarimalala.

Ny 2 novambra dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Herinandron’ny Havàtsa tao Frantsa, tao amin’ny Akanin’ny Mpianatra Malagasy ao Cachan (FUM Cachan), noraisin’ny Tale Andriamatoa Andriantsiva Solo sy Ramatoa vadiny. 

Pôetawebs 2017

Koa faly sy ravoravo ny Havàtsa-Upem notronin'ireo Sakaiza maro be. Nitohy tamin'ny atrikasa fanoratana tononkalo, sombintantara, tantara foronina, tantara tsangana, tantara fihaino, angano, mozika ba gasy ary fifaninanana manoratra izany, tao amin’ny Restaurant Marianina sy tao amin’ny MDA8, Maison des Associations du 8ème Parisy. Nisy fiaraha-misakafo malagasy ary fifampizarana asa soratra lalandava nandritra izany andro maromaro teo anelanelan’ny 2 sy 10 novambra izany. Nisy koa aza valandresaka sy takalo momba ny Vehivavy sy ny fahendrena.

Pôetawebs 2017   

TOULOUSE
Ny 12 novambra dia nianatsimo nankany Toulouse ny Delegasiona Havàtsa nombain’i Dédé Sorajavona izay nampiofana momba ny Ba Gasy. Fiaraha-miasa tamin’ny AFMM (Amitié Franco Malgache Midi Pyrenée) tarihin’i Sylvie Rakotonindraina izay nikarakara ny fifandraisana sy ny fandraisana ary ny fanatontosana.Vao tonga tany ny delegasiôna dia namonjy fiangonana tao amin’ny FPMA Toulouse ary rehefa nirava dia namonjy ny efitrano fandraisam-peo mivantana an’ny Radio Gask’Art Toulouse, araka ny fanasan-dry zareo.

 

Pôetawebs 2017

Toy ny tao Paris dia natao isan’andro ny atrikasa literera. Miisa 15 teo ho eo ny Mpiofana ary ny mahavelom-bolo dia Mpianatra ny ankamaroany, ankizy tanora ao anatin’ny heriny. Feno ny efitrano nandritra ny lanonam-pamaranana izay nanehoana seho an-tsehatra mahavariana : Antsa Tononkalo, teatra, hira, dihy, sy ny sisa... natao ny 18 novambra. Nisy ny fandidiana mofomamy izay nanana tsiro hafakely tokoa.

 

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

 

 

 

 

SUISSE : Genève sy Fribourg
Nigadona tao Genève (Suisse) ny Delegasiôna Havàtsa ny 23 nôvambra ka notsenain’i Jean Andriamananaivo, Filohan’ny Sampana Havàtsa Soisy. Ny takarivan’io dia nisy avy hatrany ny atrikasa momba ny haisoratra izay nifarimbonan’i Hajaina sy Hantanoro. Ny nampiavaka ny dia tany Soisy dia efa voaomana mialohan’ny nahatongavan’ireto Delegasiôna Havàtsa ny fifaninanana manoratra tononkalo sy sombintantara. Ny tontolo andron’ny 25 nôvambra dia nikatroka tamin’ny fitsarana ny fifaninanana ny Biraon’ny Havàtsa foibe niampy ny Filohan’ny Sampana. Nahatratra 10 ny isan’ny Mpifaninana.

Araka izany dia ny Sabotsy 25 nôvambra no nanatanterahana ny lanonana seho an-tsehatra tany Fribourg (130 km miala Genève ary efa manakaiky an’i Allemagne). Lanonana niavaka tokoa satria ny asasoratra sy ny tononkalo zary hira rehetra nantsaina dia efa hitan’ny Mpijery amin’ny tora-tsary ary voadika amin’ny teny frantsay. Nametsovetso ny finaritra avokoa ny Mpijery rehetra miisa valopolo tany ho any nandritra ny adiny roa sy antsasany. Lanonana notronina sy nomen’ny Mpiandraikidraharahan’i Madagasikara voninahitra, Andriamatoa Solofo RAZAFITRIMO.

 

 

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

 

Nisy ny fizarana loka ho an’ireo telo voalohany tamin’ny fifaninanana manoratra Sombintantara sy Tononkalo. Efa tamin’ny 11.30 alina vao nitsahatra ny firaondraonan’ny seho nahavariana.

PARIS : 02 desambra 2017
Tao Parisy ny faradoboka fanakatonana ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Havàtsa am-pitandranomasina, tetsy Montmartre izay kianja malazan’ny Kolontsaina rahateo, nizarana ny kanto ho an’ny Malagasy sy ny vazaha ny 2 desambra 2017 alina. Antsa tononkalo, tononkalo ary hira Ba Gasy sy Kalon’ny fahiny niangalian’ny Tarika SORAJAVONA sy HASIN’NY ELA no natolotra ny mpijery, izay niara-nianoka nandritra ny ora maromaro. Feno hipoka ny trano nanaovana ny lanonana. Na mamirifiry aza ny andro dia nidonaky ny hafanan’ny kanto ny trano ary nanetroka asasoratra namoaka fofo-manitra ny takarivan’ny Montmartre.

 

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Nisy vokatra nahafinaritra ny atrikasa, satria maro tamin’ireo Mpiatrikasa no nivonona tamin’ny fifaninanana. Nisy ny loka ho azy ireo natolotra nandritra ity lanonana ity
Teo amin’ny sokajy tantara an-tsehatra, Loka voalohany  dia azon’i RALIMALALA RAOBSOA Soamenakiniaina "Teny an-tsena"
Teo amin’ny sokajy Sombintantara  kosa, ny Loka voalohany dia RAHELINANTOANINA Marie Raivo Patricia "Teny an-dalambe iray" ; Loka faharoa : ANDRIANTSIVA-RAMILIJAONA Edmondine "Izay maharitra vadin'andriana".

Nisy hatrany ny fandidiana mofomamy, ary mofomamy hafakely nataon'i Herizo Ralambo miendrika boky misy ny sary famantarana ny Havatsa sy ny faha-65 taona, sady kanto no telina.

 

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Ny lohahevi-dehiben’ireo SEHO AN-TSEHATRA REHETRA notontosaina nandritra izao fankalazana ny faha 65 taonan’ny havàtsa izao dia ny hoe VELONA HO VELONA NY HAISORATRA MALAGASY.

Ankasitrahana feno Ireo haino aman-jery nandray feo sy sary ary soratra nandrakitra ny dian’ny Delegasiôna malagasy nandritra ity tany am-pitandranomasina ity, dia ny :

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

Pôetawebs 2017

-Radio Bitsika
-Radio VATSY FPMA
-Croissance.com
-Poetawebs
-Radio Gaskart Toulouse
-Ici Télévision (Canada)


Niara-nanatontosa ny tatitra :
Hanitr’Ony, Hantanoro, Hajaina

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/12/2017

×