Créer un site internet
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

31 desambra 2017

  Pôetawebs 2017
Izahay mpiaraka mifarimbona eto amin'ny Pôetawebs dia maneho fisaorana ny mpisera rehetra tamin'ny fiaraha-miasa nandritra ity taona 2017 ity ho fanandratana ny tontolon'ny poezia malagasy ary maneho izao rary izao ho an'ny taona 2018:
 

Pôetawebs 2017
Lea Fandresena

"Mirary soa sy fanambinana ho antsika mpanaraka ny tranonkala dia hitondra fahombiazana ho antsika anie ity taona vaovao ity".
Pôetawebs 2017 Hajaina

"Amin'ny taona 2018 io, enga anie ny mpanjohy ny Pôetawebs sy ny vahoaka Malagasy manerana izao tontolo izao mba hitobahan'ny tahiry sarobidy, hibosesehan'ny soa safononoka, hifafazan'ny fy amin'ny fiainana, hikarenjen'ny kanto mikararàna".
Pôetawebs 2017
Ikaloyna Vony

"Mbola hiaraka hifanjohy hatrany ho fampandrosoana ny tontolon'ny pôezia isika amin'ity taona ity".

 
Pôetawebs 2017
Tsikimilamina Rakotomavo

"Ho enin-tsoa anie isika rehetra mandritra ny taona 2018 eo am-panovozana ny kanto apariaka ato amin'ny Tranonkala Pôetawebs".
Pôetawebs 2017 Milanto Heriarilala

"Ho ampoky ny mamy,
ho tototry ny soa,
ho sambatra aoka izany,
hiadana tokoa!"
Pôetawebs 2017 Hanitr'Ony

"Ity taona 2018 ity anie ho vonin-dohataona feno nofy hamololona, ho ravim-pahavaratra ampoka asa fihavaozana, ho tahom-pararano hahato ny kinasa, ho fakan-dririnina hitahiry ny tena aina, mba ho fahombiazana sy taona fenomanana!"
Pôetawebs 2017
Toetra Ràja

"Hanana ny lanjany ary ho fanoitra velona hampandroso ny fiaraha-monina anie ny tontolon'ny teny sy ny poezia amin'ity 2018 ity, hoy ny tranonkalanao Pôetawebs!"
Pôetawebs 2017 Doda Razafindravelo

"Miarahaba ny mpanaraka ny Pôetawebs rehetra nahatratra an'ity taona vaovao 2018 ity. Ho heniky ny soa hatrany ary mirary ny rehetra hahatafita soa ny tanjona irina, indrindra eo amin'ny fanandratana ny kolontsaina."
poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 31/12/2017