Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


02 jona 2009
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

ALIN'NY POETY TAO PARISY

Nifamotoana tao Parisy (Le Zébu Francophone) indray ny Havatsa Upem sy ireo mpakafy tononkalo malagasy tamin'ny 30 aprily 2009. Daty manantantara ho an'ny fikambanana moa ity 30 aprily ity satria tamin'ny 2005 dia naseho ho hita miharihary teo anatrehan'ny Malagasy mpakafy ny haisoratra malagasy tao Parisy ny fijoroan'ny fikambanana. Marihana fa tamin'ny tapany faharoan'ny taona 2004 dia efa nitsangana ara-panjakana ity sampan'ny Havatsa Upem eto Frantsa ity. Nanotrona ny fotoana tamin'izany ny tarika Hanta sy Fenoamby. Nandravaka ny lanonana araka izany ny tononkalo sy hira ka samy afa-po avokoa ny rehetra mialoha ny fisarahana ho amin'ny tsy ho ela indray.

 

Nanombohana ny fotoana ny fiantsana tononkalo nifarimbonan'izy 10 mianadahy nisolo tena ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa. Nisantatra ny fotoana ireo tononkalo 10 noforonon'ny mpikambana ary hita ao anatin'ny "MIRAZOTRA", boky faharoan'ny fikambanana :

  • Vavaka (Arivony)
  • Alaim-panahy (Fredy Jaofera)
  • I Kalatiako (Toetra Raja)
  • Izaho sy ianao (Antsiva)
  • Lainga (Abel Andriarimalala)
  • Miaina hevitra (Hanitr'Ony)
  • Tsilopilopy nofy (Ny Kanto)
  • Jamba sa manjavona ? (Bana Rahalahy)
  • Hatraiza (F.-X. Mahah)
  • Saro-baliana (Andamioly) 
Mialoha ny fiantsan'izy 10 mianadahy ny tononkalon'i Rado dia novelaberarin'ny filohan'ny fikambanana F.-X. Mahah aloha ny mombamomba an'izany poeta andrarezin'ny haisoratra malagasy izany. Niarahana nihira tamin'ny mpijery indray avy eo ilay hiran'i Rado malaza dia malaza sady lasa hiram-pivavahana fanao any amin'ny katolika sy protestanta manao hoe "N'inon'inona hitranga Jeso". Ireto ary ireo tononkalon'i Rado valo nantsain'ireo mpikambana :
  • Isan'andro vaky izao (Ny Kanto)
  • Boboka (Abel Andriarimalala)
  • Raha mbola misy (Arivony)
  • Mitsikia ! (Faneva Randrianandraina)
  • Indray (Andamioly)
  • Tia (Hanitr'Ony)
  • Rehefa nisy isika (Fredy Jaofera)
  • Ekeko (Antsiva)

Tamin'ny tapan'ny faharoan'ny fotoana kosa no niditra an-tsehatra ny tarika HANTA sy FENOAMBY, tarika roa tsy zoviana amin'ny Malagasy intsony manerana ny vazan-tany efatra. Nanombohan'i Hanta izany ny hiran'i Rado "Raha mbola misy". Hira 4 avy moa no anjaran'izy ireo izay azo lazaina ho tena nanafana ny fotoana tokoa.

Ireo nanatri-maso dia naneho ny fahafaham-pony tanteraka ary nanambara aza fa ny seho toy izao dia tsy ampy mihitsy aty andafin'ny ranomasina aty.

Tatitra : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/05/2019

×