Créer un site internet
Pôetawebs
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
22 janoary 2021
Faribolana Sandratra : asaramanitra tao Antsirabe
Miroborobo fatratra tokoa ny literatiora malagasy, tsy ny ao an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra ivelan’Antananarivo koa. Tontosa ny sabotsy 16 janoary teo mantsy ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao teo amin’ny Faribolana Sandratra Antsirabe. Tao Mandratromby Mandaniresaka Antsirabe, amin’ny saha malalaky Randrianarisoa Rémi Parfait na i NI no nanatanterahana ity asaramanitra ity.

PôetaWebs

Nafana dia nafana tokoa ny fety aman-danonana, nifampizara hafaliana ny mpiangaly haisoratra rehetra. Mpiraifaribolana telo ambin’ny folo mianadahy no tonga tamin’io fotoana io ary nanome voninahitra sy nanotrona izany ny mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra Ranoe na Rakotomahafaly Norbert Eugène. Nohamafisiny tamin'izany fa "Tena velona ny literatiora malagasy".

Niarahana nidinidinika sy nifandranitana ireo lahasa miandry amin’ny fampivelarana ny ambaindain’ny soratra, nandritra ny fandraisana zava-pisotro sy sakafo maivana nifampizarana. Novahavahana tao ihany koa ireo fiainana anatin’ny Faribolana, vinavina sy paika hoenti-manatanteraka izany.

Tiana ny manamarika fa tonga nifamotoana tamin’io avokoa ny ankabeazan’ ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny Faribolana Sandratra  Antsirabe raha tsy hilaza afa-tsy ry Raphi, Manampy, Ni, Faniry Ezeckiel, Freddy...

Nofaranana tamin’ny fiantsana tononkalo ny fotoana, tsy ny masoandro nody intsony teto no nampalahelo fa ny orana nitatao. Nalai-nisaraka aoka izany ny tsirairay, na izany aza dia vonto hery hoenti-mamakivaky ny taona sy fahavononana hamolavola asa soratra hitety ny vanimpotoana.

Tatitra sy sary : Faniry Ezeckiel

Takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 06/03/2021

×