varavarana

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


02 jona 2010
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Fampirantiana DOX - CEMDLAC

Araka ny vaovao farany voaray dia hisy fampirantiana momba an'i DOX ao amin'ny  CEMDLAC  Analakely (Centre Malgache pour le Développement de la Lecture et de l’Animation Culturelle) amin'ity volana jona ity. Ankoatra ny fampirantiana momba ny  tantarany ataon'ny zanany dia hisy ihany koa ny fiantsana ny tononkalon'i Dox izay hifarimbonan'ireo pôeta avy ao amin'ny Havàtsa-Upem. Ny pôeta Ny Eja no tompon-kevitra amin'izao hetsika izao, izay marihina fa mifandraika indrindra amin'ny faniriany hanandratra ny pôeta efa nodimandry sy ireo mivelatra amin'izao vaninandro iainantsika izao. Hisaorana manokana ny CEMDLAC nanaiky hanatanteraka an'izao finiavana izao ho fanandratana ny pôezia sy ny haisoratra malagasy.

Ny CEMDLAC, araka ny anarany, dia ivotoeran'ny kolontsaina feno ahitana efitrano famakiam-boky, fampirantiana ary famakiamboky virtoaly mitovitovy amin'ny "médiathèque" fahita any amin'ny tany mandroso. Ny Ministeran'ny Kolontsaina no vy nahitana azy izay niarahana tamin'ny OIF (Internationale de la Francophonie). Fa mialoha an'izany dia fotodrafitrasa hanamorana ny fidiran'ny sarambabem-bahoaka amin'ny famakian-teny sy fampahalalam-baovao ny CEMDLAC izay hita ao Analakely Antananarivo (6, avenue de l’indépendance ex galerie 6).

Tatitra : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 23/06/2019