Poetawebs mitafa amin'i Ny Hariaina

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta


FIKAMBANANA VAOVAO - TSANTA

Nitombo isa nanampy ny fianakaviam-ben'ny literatiora ny fikambanana iray antsoina hoe TSANTA midika hoe:

Tiako Sy Andrianiko Ny Teniko sy TAniko.

Fikambanana niforona tao anivon'ny mpanoratra tononkalo ao anatin'ny tambajotran-tserasera Facebook izy io nefa tsy mijanona ho eo amin'izay sehatry ny tononkalo izay fa mivelatra koa eo amin'ny kabary, tantara foronina, mozika. Manana ny foiben-toerany izy, dia ao Mandialaza Andravoahangy ary ahitana mpikambana miisa telo ambin'ny folo.

Antenaina fa hitondra avo ny kanto malagasy ity fikambanana vao nitsimoka ity, ary mirary soa ho azy ny tranonkalanao Poetawebs.

Ikaloyna

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021