Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 avrily 2018

VETSOVETSOM-PITIAVANA
- Boky vaovaon'i Fanja Rakotondrainibe -


O RY RIVOTRA

O ry rivotra mitsoka
Ento any lavitra any
Ny bitsiky ny foko
Manina azy aho izany.

Ento mba hiantefa any
Lavitr'io ranomasina io
Ny vetsovetsoko tsy mety lany
Mba ho reny anio.


O ry rivotra malefaka
Izany kalonao izany
Handrotsy ireo teniko
Hisidina mba ho any.

Fanja R.

  Efa elaela ihany no nanoratra i Fanja Rakotondrainibe fa tamin'ity taona 2018 ity izy vao tapa-kevitra namoaka ny sangan'asany ao anaty boky milohateny hoe "Vetsovetsom-pitiavana - Murmures sentimentaux".

Araka izany lohateny izany dia voasoratra amin'ny teny Malagasy sy Frantsay ity boky ahitana poezia 70 ity izay voarakitra anaty 80 pejy ary natontin'i RanjaSoa Publishing (Etazonia) sy i Dol'Aj (Madagasikara). Mbola ny lohateny ihany no mahalaza ny lohahevitra mampijoro ny boky: fitiavana amin'ny endriny maro.

Hoy indrindra mantsy i Fanja Rakotondrainibe raha tafaresaka taminay:
"Vetsovetsom-pitiavana" dia tononkalom-pitiavana nosoratako, maneho izay niainako sy nolalovako amin'ny maha vehivavy sy reny ahy  na teo anivon'ny fiaraha-monina ahy".

Tokonkalo mitory alahelo, ahiahy, hafaliana, haravoana, hasambarana... ny "Vetsovetsom-pitiavana" izay "noraketiko an-tsoratra mba hitoetra" hoy izy ao amin'ny fonon'ny boky ivoho.

Izahay mpiara-miasa eto amin'ny tranonkalanao Pôetawebs dia miarahaba sy mirary fahombiazana ho an'i Fanja Rakotondrainibe: soava-dia tompoko eto amin'ny tontolon'ny soratra.

Tatitra: Toetra Ràja

 

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/04/2018

×