Riankalo : fanazavana nentin'i Rado Ramaherison

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


31 marsa 2012
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

RIANKALO
FANAZAVANA FOHY NENTIN'I RADO RAMAHERISON


Mivoatra ny poezia malagasy fa tsy mihanona fotsiny amin'ny endriny nanakafizan'ireo poeta zoky teo aloha. Anisan'izany ny riankalo izay tononkalo miendrika lahatsoratra.
Nipetraka mantsy ny fanontaniana hoe: "tranonkalan'ny poezia ve sa mivelatra amin'ny endriky ny literatiora hafa ny Poetawebs?"
Valiny. Tranonkala manandratra ny poeta sy ny poezia malagasy ny Poetawebs ary mivelatra amin'ny tontolo sy endriky ny poezia rehetra, ka anisan'izany ny Riankalo izay nasian'i Rado Ramaherison fanazavana toy izao.

"Karazana asasoratra vaovao ao anatin’ny haisoratra na ny literatiora an-tsoratra mihitsy izy ity dia ny antsoina hoe riankalo izay efa misy maromaro ihany no manoratra azy ankehitriny saingy ny fivoahany no mbola tsy mahazo toerana loatra.

Izy ity dia fifanojoan’ny tononkalo sy ny sombintantara (ny endriny ivelany dia miendrika sombintantara saingy misy tsilalaon-teny sy ady rima re ihany koa any anatiny any rehefa mamaky azy)"
.

Misaotra an'i Rado Ramaherison isika amin'izany fanazavana izany. Azonao vakiana ny tononkalony Meteza misalotra an'izany endrika vaovao izany.

METEZA

Inona no ambarako , hanakory ity fitiavako fa mbola tiako loatra TIANA ilay Malalako , izaho manaiky mihitsy fa ilainy tena ilainy ny haka toky indray tahaka ny hatrizay fony mbola tsara , mbola tsara ny aminay , ilainy ny fotoana (ary dia omeko izany , omeko izany androany amin’izay ilainy mihitsy) anefa ny foko moa ataoko ahoana dia ity foko mbola tia , mbola manina anjoria.Ny foko ange hatreto MBOLA MANANTENA foana , MBOLA MINO lalandava fa ho avy ny fotoana hampikoro sy handrava ity rindrina mijoro manasaraka anay tsy HIAINA NY FITIA , dia rindrina najoron’ity foko adala ity ; tsy naka saina tsara , tsy nahay nandanjalanja , tsy nandinika akory ka zary nampahory , nampahory indrindra ilay andrianina sy Tiana , ilay Malalako dia TIANA.

Ny fitiavako Malala tsy soratra io akory ka fafana dia hiala , tsy zaza io akory ka rotsiana dia hatory.Ny fitiavako an’i TIANA tsy tenenina mangina dia hangina tsy hiteny , tsy izany velively fa fitiavana hafa kely , fitiavana hafa loatra , fitia nahay nandoatra izay rehetra fihetseham-po tsy vitako nambara , tsy nety ho voalaza fa fitia mavesa-danja , fitiavana hafa loko , fitia avy amin’ny foko , amin’ny foko manontolo.Ny fitiavako an’i TIANA , fitia tsy mbola niainako , fitia nahafoana manontolo ny ratran’ny tarainako ; koa mba METEZA moa Malala raiso indray ny tanako ; ekeo indrindra ny fitiavako.

« Ry ilay nitomoeran’ny foko hatry ny ela » , METEZA re hamela , METEZA mba hamela ny amintsika ho tahaka ilay fahiny , mamy koa raha mamy , fa ity foko ity Malala mbola tia ankehitriny , MBOLA TENA TIA , mbola MANANTENA , MANANTENA hotiavin-dry ; izaho dia tia an-dry amin’ny foko manontolo ka mba ento moa Malala ny hanitry ny lolo , ny hanitra fitia , ANDEHA ISIKA HANOHY NY DIA ENY AN-TSAHAN’NY FITIA.Misaotra an-dry mialoha ry Malalako indrindra tsy manam-paharoa.TIA manoroka an-dry amin’ny oroka mamy indrindra ; ny fitiavako Malala TSY HIOVA , TSY HIFINDRA sanatria fa mifantsika amin-dry , amin-dry mandrakizay , mandrakizay doria , amin-dry irery ihany mandra-pialako eto an-tany.Tsy laingako any izany

Rado Ramaherison

poetawebs@gmail.com