Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


23 novambra 2009
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


HAVATSA sampana Antsirabe

Nitombo iray ny sampan'ny Havatsa. Tafatsangana tokoa ara-pomba ofisialy tamin'ny Asabotsy 21 Novambra 2009 ny HAVATSA sampana Antsirabe. Izany fotoana izany dia natao tao amin'ny Cercle Mess Mixte de la Garnison Mixte d'Antsirabe ary teo ambany fahefan'ny Solontenan'ny Chef de Région Vakinakaratra sy ny Talem-paritry ny Kolontsaina tao Antsirabe. Nanao rodobe teny antoerana koa ny solontenan'ny HAVATSA Foibe avy any Antananarivo raha tsy hitanisa afa-tsy ny Filoha Razafiarivony Wilson, DI, Hajaina sns. Andriamatoa RAVELOSON Richard no Filohan'ny Sampana ary ireto avy no mpikambana mpanorina miaraka aminy :
 
Pastera RABENANDRASANA
RAMANDASON
Jeannot RATSIMBAZAFY
BODO
ERA
MARTIN
Nary RAKOTOARISOA
 
Tsara ny manamarika fa RAMANDASON no mpamoron-kiran'i Vola sy Noro. Izy mihitsy no namorona ny tonony sy ny feony toy ireto hira diso fantatry ny maro ireto :
 
- TSY NENIKO
- ANJAVIDY
- OMEO TOKY AHO
- AZA KIVY
  Ramandason (ankavia) sy Nary (ankavanana)
Rehefa vita ny fifandonam-bera teny amin'ny Cercle niaraka tamin'ny vahiny nasaina dia nankany amin'ny tokantranon'i Nary ny mpikambana rehetra nihinana vary amin'anana sy masikita ary nihirahira. Tamin'ny folo alina vao nisaraka.....Dia izay !!!
 

HAMAKAFAKA TONONKALO
HITAPATAPAKAHITRA
HIZARA VAOVAO

poetawebs@gmail.com

 
     
   
  ... natrehan'ny birao foibe  
       
   
  Filoha
Raveloson 
Richard
Pasitera
Rabenandrasana
 
       
  Bodo  
  Jeannot Ratsimbazafy Bodo  

Tatitra : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 29/12/2018