Créer un site internet
varavarana

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
16 janoary 2010
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

HAVATSA UPEM
TATAMO MANOKANA
TATAMO MANOKANA dia boky navoakan'ny HAVATSA UPEM ho fanamarihana ny tsangambaton'ny faha 55 taonan'ny fikambanana (1952 - 2007).

Ahitana takila 300 ny boky ary maneho ny tantaran'ny fikambanana hatramin'ny niandohany. Izany tantara izany dia voafaritra ao anatin'ny tantaram-pirenena sy ny tantaran'ny literatiora kristianina.

Voasoritra ao koa ny lalana nodiavin'izy 15 mirahalahy namorona ny fikambanana miampy an'izy 5 mirahalahy filoha nifandimby. Takila 200 mahery kosa no anehoana ireo santionan'ny sanganasan'ny poeta sy mpanoratra maro ao anatin'ny fikambanana. Marihana fa revion'ny HAVATSA UPEM miseho isan-telovolana ny Tatamo.

Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com