Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
01 janoary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

PÔETAWEBS : MIRARY TAONA 2019 FENO FAHOMBIAZANA HO ANAO!

 

"Endrika miran'ny hafaliana sy fo ravoravo mahasondriana no atolotra etoana iarahabana amin'ny toerana rehetra izay ombana"... 
Eny, manoloana anao ny tranonkala Pôetawebs, miarahaba, mirary soa, miara-paly... ianao Pôeta, mpisera ary mpakafy ny tontolon'ny pôezia malagasy, amin'izao taom-baovao 2019 izao. Ho taonan'ny fanandratana avo ny Pôeta sy ny pôezia malagasy amin'ny endrika samihafa anie ity taona 2019 ity ary hanamafisana orina ny firaisankinan'ny Pôeta rehetra tsy ankanavaka.

Tsy hay ny tsy hisaotra ireo namana rehetra niara-niasa tamin'ny Pôetawebs tamin'iny 2018 iny toy ireo Pôeta, mpanao gazety, fikambanana samihafa. Raha hitodihana kely mantsy ny zava-nitranga tamin'iny taon-dasa iny dia tsy isalasalana ny nahafahana nanolotra sorapiainana naseho isaky ny faha-15'ny volana, izay nantsoina hoe FANTARO I... Teo ihany koa ny fanasongadinanana tenin'ny Pôeta indroa isam-bolana, izay notsoahina tamin'ny Tapatapakahitra sy lahatsoratra samihafa efa naely teto amin'ny Pôetawebs.

Mbola hitohy ary hohamafisina aza izany ezaka izany amin'ity taona 2019 ity. Hampahatsiahivana indroa isam-bolana ihany koa ireo lahatsoratra nanamarika ny antom-pisian'ny Pôetawebs sy ny tontolon'ny Pôeta hatramin'ny taona 2009 nahitany masoandro ka hatramin'ity 2019 hahatrarany ny fahafolo taona ity.

Ny Pôetawebs dia manentana antsika rehetra maniry hampahafantatra ny hetsika rehetra momba ny tononkalo, hampita izany tsy am-pisalasalana. Isika mantsy no tonga amin'ny fitenenana hoe "iray donak'afo, iray dinidinika".

Mahereza àry tompoko fa ny firaisana no hery!

Ny tranonkalanao Pôetawebs


poetawebs@gmail.com