Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
12 janoary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraFAHATELOPOLO TAONAN'NY FARIBOLANA SANDRATRA - AKADEMIA

"Voavadika ny bainga, ny soratra miainga... Misandratra! Misandratra!"

Vory lanona teny amin'ny lapan'ny Akademia ny mpiraifaribolan'ny Sandratra ny 11 janoary 2019 teo, niaraka tamin'ny fitondram-panjakana sy ireo mpanotrona azy ary ny fianakaviamben'ny haisoratra malagasy. Nosokafana tamin'io andro io mantsy ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny fikambanana amin'ny alalan'ny teny faneva hoe "Iainako ny Teniko, hanamasina ny taniko".

MPAMPIAKATRA FANEVA

Tsy very maina akory ny dinitr'izy 9 mianadahy nanangana ny fikambanana ary tsy nikely soroka manandratra ny haisoratra malagasy, hatramin'ny 11 janoary 1989 nanoratana azy ara-panjakana. Efatra amin'izy ireo no efa nampiato ny peniny tsy hikorisa intsony : Elie Rajaonarison (15/11/1951 - 27/11/2010), Solofo José (09/04/1947 - 13/02/2014),  Lydiary (03/02/1947 - 09/09/2012), A.R.Ni (06/12/1961 - 08/08/1993). Mbola miaraka miriaria amintsika kosa ry J. Nalisoa Ravalitera, Ilay, Niry-Solosoa, Ranöe, Rakotonirina Gérard Patrick (Coco), izay tohanan'ireo zandry taty aoriana mampiakatra ny faneva ary mijoro raha nanamarika ny maha-zava-tsarobidy ny fahatrarana an'izao faha-30 taona izao teny amin'ny sehatra avo eny Tsimbazaza.

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA

Naharitra adin'ny roa ny fotoana; Riambola Mitia no tonian-danonana no nitondra ny teny fiarahabana. Niroso tamin'ny fanolorana mari-boninahitra Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture Rtoa JOHASY Eleonore, Minisitry ny Kolontsaina sy Fampiroboroboana ny asa Tanana ary Fiarovana ny Vakoka, ka tao no nahazo Officier ary nisy no nomena Chevalier.

Nifandimby nandray fitenenana kosa i J. Nalisoa Ravalitera (Pôetan'ny Faribolana Sandratra), ny Pr Ranjeva Raymond (filohan'ny Akademia) ary Rtoa Ministra JOHASY Eleonore.

Hira sy antsa no nialohavan'ny lahatenin'ny Pôeta Ranöe (Rakotomahafaly Norbert Eugène), nanasongadina ny lalana nodiavin'ny Faribolana Sandratra.


VELA-KEVITRA

Antsa tononkalom-paritra kosa no niandrasana ny vela-kevitra nentin'ny Dr Rakotomavo Tsikimilamina, mpandalina ny Faribolana Sandratra, mitondra ny lohateny hoe :

"Faribolana Sandratra : mamorona fa tsy mamerina, manarina fa tsy mamarina".

Nohazavainy tamin'izany ny hevi-tsarobidy fonosin'ny anarana Faribolana Sandratra, ny sary sy ny loko famantarana azy, ny fiainam-pikambanana sy ny fifampitondrana ao anatiny ary indrindra ny lalan-tsarotra niainan'ny fikambanana. Tsy nahasakana an'ireo mpikambany anefa izany kizon-dalana izany fa vao mainka namporisika azy ireo "hamorona fa tsy hamerina". Anisan'ny forona mampiavaka ny Sandratra, hoy ihany ny Dr Rakotomavo Tsikimilamina, ny feon'ny teny tsy voagejan'ny endrika mahazatra, ny filalaovana teny sahy, ny fanehoana hevitra mivantana, ny fitodihan'ny talenta amin'ny fiainam-bahoaka andavanandro sns.


OLONA MANAN-KAJA
Ireto avy ny olona manan-kaja nanatrika ny fotoana :

- Ny Minisitry ny Kolontsaina sy Fampiroboroboana ny asa Tanana ary Fiarovana ny Vakoka
- Ny Tale Jeneralin'ny Kolontsaina
- Ny Talen'ny Foibe misahana ny Kolontsaina
- Ny Talem-paritry ny Kolontsaina sy Vakoka Analamanga
- Ny Lehiben'ny Sampandraharaha ao amin'ny OFNAC, Foibe misahana ny Kolontsaina, Foibem-paritry ny kolontsaina sy vakoka Analamanga
- Ny Filohan'ny Akademia
- Ny Filohan'ny sokajy 1 "Haikanto sy Hailaza Akademia"
- Mpikambana ao amin'ny Akademia
- Filohan'ny FMTS
- Fikambanana misahana ny teny sy ny soratra
- Mpanorina ny Faribolana Sandratra
- Mpikambana Faribolana Sandratra isan-tsampana
- Mpianatra maro be
- Mpanao gazety samihafa
- Fianakavian'ireo nahazo mari-boninahitra


Miankavanana : ny Talem-paritry ny Kolontsaina sy Vakoka Analamanga  (Rtoa Haingo Rasolondraibe), ny avy ao amin'ny Foibem-paritry ny Kolontsaina Analamanga (Rtoa Fara), ny mpanao vela-kevitra (Dr Tsikimilamina Rakotomavo), ny lehiben'ny sampandraharaha OFNAC (Atoa Rivo), ny mpandrindra Nasionalin'ny Faribolana Sandratra (Atoa Ranöe), ny lehiben'ny Sokajy 1 ao amin'ny Akademia (Rtoa Esther Randriamamonjy), ny Filohan'ny Akademia (Atoa Ranjeva Raymond) 

IREO NOTOLORANA MARI-BONINAHITRA
OFFICIER

RASOLOHERIMANDIMBY Eloi
RAKOTONDRAVELO Hajatiana Rodin
RANAIVOHARIJAONA Rado Liantsoa
RAVELOARISON Felaniaina
RAKOTONDRAZAKA Rado Mbolanirina
RAKOTONJANAHARY Meva Mahenintsoa
RANDRIANANTOANDRO Sylvia Louidjine
RAMAHERISON Rado
RAKOTONIAINA Jules Philibert
RAKOTOMAVO Tokiharimanitra Tsikimilamina
RANDRIANINDRIANA Sandiarivony Zoelson

CHEVALIER

RAKOTONARIVO Noa
ZAFINDRATIANA Haja Nirimalala
RAVONANDRIANA Tolotra Mampionona
RAMAROMIANTSO Malalatiana Voahanginirina
RAVAKINORO Narilala Ludovic
RAMAROSAONA Hantarinivo Faniry
HANITRARIVO Riambola Mitia
ANDRIAMALALA Riva Ando
HERIMANJAKA Tsilavo Manantsoa
RAZAKARIVONY Gazela Meva
RAKOTOARISOA Hamasy Joé
RANDRIANANTOANINA Voahirana
RANDRIANAIVO Ridza
RAKOTOMAHAFALY Fenitrarivony Njiva
RAKOTOARISON Todisoa Nantenaina Fidimalala




Fianakaviamben'ny Faribolana Sandratra

Ireo Andriambavilanitry ny Faribolana Sandratra sy ny sakaizan'ny Faribolana Sandratra

Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Tsiky Rakotomavo
poetawebs@gmail.com


a
 

Date de dernière mise à jour : 15/01/2019

×