FAMPIASANA NY TENY MALAGASY AMIN'NY ATERINETO

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
25 jona 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

FAMPIASANA NY TENY MALAGASY AMIN'NY ATERINETO

Tontosa soa aman-tsara ny Alarobia faha 19 jona 2019 lasa teo ny hetsika Teny Gasy 2.0 nokarakarain'ny Blaogin'i Voniary. Ity hetsika teo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ity dia natao hampiroboroboana ny teny malagasy sy hampivondronana ireo mpivoy teny malagasy ao amin'ny aterineto. Nampiavaka ny fotoana ny loabariandasy nahitana an'ireto mpandray anjara ireto :

- ny Wikipedia tamin'ny alalan'i Bëllarminovitch Rakotonirina
- ny vondron'ny tambajotran-tserasera Facebook Izany Ka MAlagasy (IKAMA) tamin'ny alalan-dRakotoarivelo Hanitriniala Lalaina sy i Andriamizaho Daniel (Rainibozy)
- ny tranonkala Global Voice mpandika lahatsoratra amin'ny teny maro nahitana an'i Zo Andriamifidisoa na i Jentilisa
- ny tranonkala serasera.org nahitana an-dRasoa Arimalala
- ny tranonkala Pôetawebs nahitana an'i Tsikimilamina Rakotomavo sy Heriarilala Andriamamonjy.

Nandrindra ny fifanakalozan-kevitra i Mose Njo ary anisan'ny nibahan-toerana tamin'izany ny fanentanana :

- ny mpikirakira aterineto rehetra mba hizara fahalalana amin'ny teny malagasy
- ny tanora hitia ny teny malagasy.

Marihana fa ny tranonkala Pôetawebs sy ny tranonkala serasera.org, amin'ny alalan'ny vetso.serasera.org, dia tranonkala mpivoy mandavantaona ny tontolon'ny pôeta malagasy.

Nanamarika ity hetsika ity koa ny varotra sy fampirantiana boky nandraisan'ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra. Ny Faribolana Sandratra moa dia nanolotra gazety Ambioka, gazety famoakany isam-bolana, ho loka natolotra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny fifaninanana lahatsoratra am-blaogy nokarakarain'ity blaogin'i Voniary ity (Ando Nantenaina, sary eo ankavia). Isaorana ny blaogin'i Voniary nikarakara izao hetsika fanandratana ny teny malagasy izao.

Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Sary : Heriarilala Andriamamonjy sy Ando

Miakavanana : Mose Njo (mpandrindra), Zo Andriamifidisoa (Global Voice), Tsikimilamina Rakotomavo (Pôetawebs), Heriarilala Andriamamonjy (Pôetawebs), Rasoa Arimalala (serasera.org), Hanitriniaina Lalaina Rakotoarivelo na i Magie Gam (IKAMA), Bëllarminovitch Rakotonirina (Wikipedia), Daniel Andriamizaho (IKAMA)
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 25/06/2019

×