Créer un site internet
FAMPIASANA NY TENY MALAGASY AMIN'NY ATERINETO

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
06 jolay 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

AKADEMIAM-PIRENENA MALAGASY

Famaranana ny Iray volana anandratana ny teny malagasy

Tontosa soa aman-tsara teny amin'ny Lapan'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny Zoma 28 jona 2019 ny lanonam-pamaranana ny iray volana anandratana ny teny malagasy. Nifantohana tamin'izany ny lohahevitra hoe :
 
"Ny fahaizana ny teny malagasy antoky ny fahafehezana ny teny vahiny."

Nanokatra ny fotoana Atoa Ranjeva Raymond Filohan'ny Akademia Malagasy ary nodimbiasan'ny Filohan'ny Havatsa Upem Andrianasolo Hajaina.

Nenti-nanamarika ny fotoana ny rindran-kira nataon'ny Tafasiry Kolo Kanto sy ny antsan-tononkalo nandraisan'ny Havàtsa-Upem anjara tamin'ny alalan'i Itsipika, i Hantanoro ary i Heriarilala Andriamamonjy. Tononkalo nosoratan'i F.-X. Mahah sy i Rado no nantsaina, nisy fampahafantarana fohifohy an'i F.-X. Mahah nataon'ny filohan'ny Akademia taorian'izay.

Nanohizana ny fotoana ny fandraisam-pitenanan-dRtoa Ramavonirina Oliva mpikambana mahefa sy mpiandraikitra ny asa fikarohana ao amin'ny Foibe momba ny teny an'ny Akademia Malagasy, narahana fizarana loka momba ny fifaninanana soratononina 2019, fifaninanana mitondra ny lohateny hoe Bakoly Dominichini Ramiaramanana. Taorian'ny fizaran-doka dia nandray fitenenana Atoa Michel Dominichini Ramiaramanana nanazava momba ny anton'ny fifaninanana. Nifandimby nandaha-teny taorian'ny fizaran-doka kosa Rtoa Randriamamonjy Esther Tale jeneralin'ny Foibe momba ny teny sady filohan'ny sokajy Haikanto sy Hailaza sy ny filohan'ny Akademia Malagasy Atoa Ranjeva Raymond.

Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 06/07/2019

×