Créer un site internet
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

16 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

sary nindramina

Faribolana Sandratra

"Iainako ny teniko

hanamasina ny taniko"


Amin'ny alalan'izany teny filamatra izany no entin'ny FARIBOLANA SANDRATRA mankalaza ny ivon'ny fahatelopolo taona nijoroany. Eo ambany fiahian'ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hetsika, Ministera miezaka hatrany miara-dia amin’ireo sehatra samihafa mivoy ny kolontsaina. Miavaka ity fiahiana ity satria ny Ministera mihitsy no miantsoroka mivantana ny fampitaovana amin’ny endriny samihafa ho fampiroboroboana ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny kanto vita amin’ny teny.



RANTY
Etsy amin'ny Efitrano DOX Tranombokim-pirenena Anosy no fotoana ny talata 17 ka hatramin'ny sabotsy 21 Septambra 2019 izao, hampirantiana ireo zava-bita sy novokarina ary nanamarika ny Faribolana Sandratra tao anatin’izay 30 taona nijoroana izay. Ao anatin'izany ny tantarany, ireo sampana manerana an’i Madagasikara, ny gazety Ambioka, ireo boky navoaka nandritra ny taona maro, ny rakipiainan’ireo mpanoratra maro be amin’ny vanimpotoana ankehitriny ao amin’ny Faribolana Sandratra, raki-tsary sy raki-peo, tenina mpanoratra nafafin’ny Faribolana Sandratra ho fanampiana ny mpianatra sy ny maro isan-karazany.

VELAKEVITRA
Ny Alarobia 18 Septambra 2019, ao amin’ny Efitrano Dox ihany amin’ny 3 ora, no hanatanterahana velakevitra samihafa momba ny literatiora ankehitriny asongadin’ny Faribolana Sandratra.

Hanazava ny Riankalo i Ranoe. I Ezra S. kosa haneho ny literatiora betsimisaraka : tôkalo sy tôkandriàgna. Ra-phi indray dia hampahafantatra ny Sôvaramita.
Hanamarika ity hetsika ity koa ny fifanakalozana amin’ireo poeta sy mpanoratra ao amin’ny Faribolana Sandratra izay homban'ny raki-peo sy raki-tsary.

POA-TSATROKA
Hiavaka ny famaranana ny herinandron'ny hetsika amin'ny alalan'ny POA-TSATROKA ataon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ny mpanoratra J. Nalisoa Ravalitera. Sady zokiny indrindra amin’ny mpiraifaribolana izy no zokiny indrindra tamin'ireo nanorina ny Faribolana Sandratra. "Fankasitrahana azy tamin’ny zava-bitany teo amin’ny tontolon’ny kanto sy ny literatiora ary ny fampiroboroboana ny teny malagasy" no hevitr'izao POA-TSATROKA izao. 

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/09/2019

×