Poa-tsatroka
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

23 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
— Tatritr'i Toetra Ràja —
POA-TSATROKA HO AN'I J. NALISOA RAVALITERA
Poa-tsatroka no namaranan'ny Faribolana Sandratra ny ivon'ny fankalazana ny fahatelopolo taonany teny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny sabotsy 21 septambra 2019 teo.

Taorian'ny teny fiarahabana nataon'i Felana dia nampahafantarina tamin'ny alalan'ny raki-peo ny mombamomba an'i J. Nalisoa Ravalitera. Nanohy ny fandraisam-pitenenana i Ranoe, Mpandrindra Nasionaly Faribolana Sandratra.

Indroa miantoana kosa ny fijoroana vavolombelona ka ny voalohany dia nosahanin-dRtoa Lisy Ravalitera, ny avy ao amin'ny Faribolana Sandratra ary ny avy ao amin'ny Akademia Malagasy.


Teo anivon'ny fotoana no nampita ny tenin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Talen'ny Kabinetrany izay nisolo tena azy rahateo. Nohazavainy tamin'izany ny antom-pisian'ny poa-tsatroka izay fanomezan-kaja "hita maso" atolotry ny Ministera misahana ny Kolontsaina ho an'ny mpanoratra zoky nahavita be teo amin'ny tontolon'ny haisoratra.
sary nindramina
J. Nalisoa Ravalitera
Rehefa avy nisaotra an'i J. Nalisoa Ravalitera tamin'ireo zava-bitany sy namarana ny kabary ny Talen'ny Kabinetran'ny Ministera dia nanolotra ny mari-pankasitrahana ho azy. Mbola izy koa no nanolotra tamin'ny fomba ofisialy ho tsangambaton'ny poa-tsatroka ireo boky roa nosoratan'izany mpanoratra nahavita be izany :

- MAVANA, amboaran-tononkalo
- AMBONY RAHONA, riankalo

Anjaran'i J. Nalisoa Ravalitera indray avy eo no nandray fitenenana, narahin'ny fijoroana vavolombelona andiany faharoa, nataon'ireo avy amin'ny FI.MPI.MA, Havàtsa-Upem, Tily, Chorale Ambohitantely, Akademia Malagasy.

Hira nataon'i Fangia Kalo Gasy sy i Narisoa ary fiantsan'ny Mpiraifaribolana ny tononkalon'i J. Nalisoa Ravalitera no nandravahana ny fotoana.

Sary : Tsikimilamina Rakotomavo


sary nindramina
J. Nalisoa Ravalitera sy ny Talen'ny Kabinetran'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina

sary nindramina
Ny Talen'ny Kabinetran'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina

sary nindramina
I J. Nalisoa Ravalitera teto no nikabary ary nampihetsi-po ireo olo-manan-kaja avy ao amin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny fianakaviany, ny Mpiraifaribolana Sandratra...

sary nindramina
Tarika Fangia Kologasy niaka-tsehatra

sary nindramina
Ny feomangan'i Narisoa

sary nindramina
J. Nalisoa Ravalitera tety am-pitoerana manaraka tsara ny fijoroana vavolombelona

sary nindramina


poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 23/09/2019

×