Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

29 ôktôbra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja

HETSIKA AKORY E! - FAMORIANA MPANAO GAZETY

Nahavory mpanao gazety tamin'ny 25 ôktôbra teo ny fanambarana sy ny fanomezam-panazavana momba ny hetsika fanandratana ny fitenim-paritra antsoina hoe AKORY E! Hotanterahina ny 29-30-31 ôktôbra izao eny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy mantsy ity hetsika karakarain'ny fikambanana GASIKO ity izay eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'ny alalan'ny Foibem-pitondrana Misahana ny Maha Izy ara-Kolontsaina. Ankoatra ny Ministera mpiahy dia mpiombona antoka amin'izany koa ny Telma, Cafétulat, Newprint ary ny tranonkala Pôetawebs.

PôetaWebs
Miankavanana : Govina Damy, Tsikimilamina Rakotomavo, Lalaina Ralaiarijaona

Teny amin'ny Foibem-pitondrana Misahana ny Maha Izy ara-Kolontsaina ao Analakely no nanaovana ny dinika ka i Tsikimilamina Rakotomavo, talen'izany Foibe izany no nitondra ny teny voalohany amin'ny maha mpampiantrano ny Ministera ka nanolorany ireo mpandray anjara fitenenana.

Ny filohan'ny fikambanana Gasiko, Govina Damy, kosa dia nanoritsoritra ny antom-pisian'ny hetsika, nanolotra ny fandaharam-potoana mandritra ny telo andro toy ny velakevitra, fampirantiana, fampianarana, seho...

I Lalaina Ralaiarijaona avy ao amin'ny TELMA indray no nanazava ny faharesen-dahatry ny Telma amin'ny fanasongadinana ny maha Malagasy.

Tao anatin'ny fanazavana nasetry ireo fanontanian'ny mpanao gazety no nahatarafana fa mirakitra harena tsy tokony hotsinontsinoavina ny fahasamihafana ara-kolontsaina. Tsy azo ialana hoy ny mpandaha-teny ny fiverenana any an-doharano ho an'ny tena fandrosoana marina. Izany ihany koa no lohatenin'ny lahatsoratry ny gazety "
Les Nouvelles" momba ity hetsika fanandratana ny fitenim-paritra ity.
 
Nohamafisin'i Lalaina Ralaiarijaona avy ao amin'ny Telma izany fandrosoana mifantoka amin'ny loharano izany, hevitra narantiranty tamin'ny alalan'ny teny faneva hoe "Safidy voalohan'ny Malagasy".

"Vonona" ny fikambanana Gasiko araka ny fahitan'ny gazety Tia Tanindrazana azy, vonona hampiroborobo ny fampitana ny fahaizana fitenim-paritra, ary vonona hanokana toerana miavaka ho an'ny kolontsaina avy any amin'ny faritra.

"Fiombonana ao amin'ny fahasamihafana" indray no nandraisan'ny "La Vérité" ny hevi-baventy avy ao amin'ny fampiroboroboana ny fitenim-paritra.

Ny gazety "
Free News" indray dia nitatitra ny voalazan'ny talen'ny Foibem-pitondrana Misahana ny Maha Izy ara-Kolontsaina, Tsikimilamina Rakotomavo, momba ny maha savaranonando an'ity hetsika mbola hisandrahaka any amin'ny faritany ity. Mbola i Tsikimilamina Rakotomavo ihany koa no nitondra fanazavana momba ny politikam-pirenena momba ny teny izay iarahan'ny Ministera misalahy amin'ny Akademiam-pirenena malagasy. Nomarihiny fa efa eo am-pelatanan'ireo Antenimiera roa ny volavolan-dalàna na dia eo aza ny hisatra nateraky ny fiovaovan'ny fitondram-panjakana.

Mbola nitohy ny dinidinika ambany tafontrano nandritra ny tsaingoka sy fialana hetaheta namaranana ny fotoana.


PôetaWebs
Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Tsikimilamina Rakotomavo

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/11/2019