PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

04 nôvambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja


AKORY E! AKON'NY VELAKEVITRA

Tanteraka soa aman-tsara ny hetsika "AKORY E!" nokarakarain'ny fikambanana GASIKO, ny 29-30-31 ôktôbra teo tao amin'ny Tranombokimpirenena Anosy. Nahasarika olona, mpanao gazety, mpikaroka, tomponandraiki-panjakana maro ity hetsika fanandratana ny fitenim-paritra sy ny kolontsaina avy any amin'ny faritany ity izay nahitana fampianarana, fifanakalozana, velakevitra, seho... Andeha hotanisaina manokana ireo velakevitra nanamarika ny fotoana.

Velakevitra 1
"Ny fitenim-paritra ao amin'ny fandaharam-pianarana". Notanterahin-dRtoa Ranivoharimanga Vonintsoa, Atoa Rabarison Richard (Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena), Rtoa Norolalao Lucciana (INFP).
Velakevitra 2
"Ny anjara toeran'ny fitenim-paritra eo amin'ny fampandrosoana ny firenena". Nahitana an'Atoa Ranjatohery Harilala (mpampianatra tantara sy Akademisiana), Atoa Randriambololona Roger Fandinisa (Fiadidiana ny Repoblika), Atoa Hery Mahosindraza (Talen'ny Ministera ny Kolontsaina sy fampiroboroboana ny asa tanana teo aloha).

Velakevitra 3
"Ny fomba fampiroboroboana ny fitenim-paritra". Notantanin-dRtoa Marie Valencia Émilie (Mpitantana trano fandraisam-bahiny any amin'ny faritra), Atoa Galant Dominique (Miniteran'ny toekarena), Rtoa Mbola Morel (Akademisiana).
Nisy ny fehin-kevitra izay niantefa amin'ny tompon'andraikitra samihafa toy ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fanabezam-pirenena, Fampianarana ambony, ny Parlemanta, ny Malagasy rehetra.

Nandritra izany fotoana rehetra izany dia azo notsidihina hatrany ireo tranoheva nampahafantarana ny ohabolana isam-paritra.
 
Mpianatra anjatony no nifamezivezy tao ary tsy diso anjara ireo mpikaroka nanatrika ny velakevitra.
Niafara tamin'ny hira sy dihy nentim-paharazana ny hetsika Akory e!
Hafaliana sy fahafaham-po no taratra teny amin'ireo rehetra nandray anjara satria sehatra iray nifanakalozan'ny samy foko ity notanterahina ity.
 
PôetaWebs
 
 
PôetaWebs
 
 
PôetaWebs


Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Tsikimilamina Rakotomavo

 

poetawebs@gmail.com