Fahafolo taonan'ny Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

29 nôvambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
FAHAFOLO TAONAN'NY PÔETAWEBS
— Fanamby tanteraka —
manolotra ny boky Sorapiainana 1
Tontosa tao amin'ny ivokolo CEMDLAC Analakely tamin'ny 27 desambra 2019 ny fankalazana ny faha-10 taonan'ny tranonkala Pôetawebs. Nanomboka tamin'ny 10 ora araka ny fotoana nifanomezana ny hetsika. Ankoatra ireo vahiny nasaina, nameno ny efitranon'ny ivokolo CEMDLAC ny mpanoratra, ny mpianatra fa indrindra ny olon-tsotra nahita ny fampahafantarana tamin'ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera izay isan'ny iasan'ny tranonkala Pôetawebs.
— Tatitr'i Doda Razafindravelo —

Nirindra ary feno ny seho fampahafantarana ny mpikamban'ny Pôetawebs sy ny boky Sorapiainana 1, tsangambaton'ity faha-10 taona ity. Tao anatin'ny ora 2 ny seho izay nahitana :

- fiantsana ny ampahan'ny sanganasan'ireo mpanoratra ao anatin'ny boky, notanterahin'ny mpikamban'ny Pôetawebs sy ny zanak'ireo mpanoratra.
- fanehoan'ireo mpanoratra anisan'ny nivahiny matetika tao anatin'ny tranonkala ny fomba niainany izany tamin'ny Pôetawebs.
- lahatenin'ny Tale Jeneralin'ny OFNAC izay nanamafy ny maha zava-dehibe ny tranonkala Pôetawebs manandratra ny teny sy ny tononkalo.
- Ary ny lehibe indrindra dia ny fampahafantarana ny boky Sorapiainana 1, ahitana ny momba ireo mpanoratra 10 mianadahy efa nody mandry voafantina.

Ireo rehetra ireo dia nelanelanin'ny feo kanton-dRalanto sy ny tarika Fangia Kalo Gasy tamin'ny hira manandratra ny kanto malagasy.

Notolorana ny boky sorapiainana 1 ihany koa ireo vahiny notsongaina nandritra ity hetsika ity toy ny avy ao amin'ny Akademia, sekoly, anjerimanontolo, trano famakiam-boky. Ity boky ity dia nanana ny toerany manokana koa tao anatin'ny fampirantiana ny mombamomba ny Pôetawebs izay novelabelarin'i Tsikimilamina Rakotomavo tamin'ny mpanatrika.

Nofaranana tamin'ny fanapahana mofomamy ny fotoana amin'ny maha fankalazana ny tsingerintaona faha-10 ny tranonkala Pôetawebs azy. Naredona ny fanoloran-tenan'ny mpikambana niaraka tamin'i Niry Rakotondrabe, Tale Jeneralin'ny Ofnac, teo am-panapahana ny mofomamy, maneho fahavononana hanandratra ny teny sy ny literatiora malagasy.


Pôetawebs
Eo am-panapahana ny mofomamy, miankavanana : Niry Rakotondabe talen'ny Tale Jeneralin'ny Ofnac sy ireo mpikamban'ny Pôetawebs Doda Razafindravelo, Faniry Ezeckiel, Tsikimilamina Rakotomavo, Heriarilala Andriamamonjy ary Léa Fandresena, miara mirodona ny teny filamatra hoe :
"Ny tranonkala Pôetawebs vonona hatrany hanandratra ny teny sy ny literatiora malagasy"


Etoana dia isaorana ireo rehetra nanohana ka nahatontosana iny hetsika fankalazana ny faha-10 taona sy namoahana ny boky Sorapiainana 1 iny. Isaorana manokana ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin'ny alalan'ny OFNAC (Ofisim-pirenena misahana ny Zavakanto sy ny Kolontsaina) sy ny DIC (Foibem-pitondrana Misahana ny Maha Izy ara-Kolontsaina). Ankasitrahana koa ireo rehetra nanotrona ny hetsika, ny Akademia, ireo Talen-tsekoly sy trano famakiam-boky, ireo nijoro ho vavolombelona, ny tonian-danonana, ireo namana mpanao gazety sy ny mpaka sary, ireo namana pôeta sy mpanoratra, ary ireo nahafoy ny enti-manana tamin'ny fanjifana teny ifotony ny boky Sorapiainana 1.

Tatitra : Doda Razafindravelo
Sary : Aina Andriamamonjy sy Tsikimilamina Rakotomavo

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 29/12/2019