Créer un site internet

Dox_100_antsirabe

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

22 Desambra 2014

 

RIAN-KANTO AJA SY RAKEMBA

Anisan’ireo fikambanana  manitatra ny  ambaindain'ny soratra ny fikambanana RIAN-KANTO AJA SY RAKEMBA. Efa tamin’ny 2008 izy no niorina ary voatsangana ara-panjakana ny taona 2013.

Ny tanjon’ny fikambanana dia hampandala ny maha Malagasy anaty kanto sy kolo toy ny tononkalo, ny tantara ary milalao horonan-tsary izy sady manonta boky. Miisa 32 ny mpikambana amin’izao fotoana izao ary tsy mifidy taona.

Ankoatra ny tononkalo dia misy ny fanentanana lanonana amin'ny alalan'ny antsan-tononkalo na hira. Ao koa ny sary, kabary, ary ny tantara an-tsehatra na an'onjam-peo.

Efa maromaro ireo hetsika nataony toy ny tao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, Arivonimamo, zaridainan'Antaninarenina, Mahajanga, Fianarantsoa sns…

Ny hetsika manaraka  dia amin’ny andron’ny mpifankatia 2015 izay anasana antsika sahady.

Ikaloyna

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021