Créer un site internet
Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

17 jona 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja
IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY
— Hetsika Havàtsa-Upem Frantsa —
PôetaWebs Herintaona katroka izay no nanao hetsika lehibe niaraka tamin’ny INALCO na Institut National des Langues et Civilisations Orientales tao Parisy ny HAVA?TSA-UPEM, ho fanomezam-boninahitra mpanoratra iray kintan’ny zavakanto dia i Abel Andriarimalala. Isan-taona tokoa dia manome lanja ny teny malagasy amin’ny Andron’ny Tenindrazana sy amin’ny Iray Volan’ny Teny Malagasy ny Fikambanana. Noho ny toe-javatra misy ara-pahasalamana ankehitriny  dia ny fisian’ny valan’aretina Covid-19, anefa dia tsy misy hetsika azo atao mivantana, saingy tsy hionona hipetra-potsiny ny mpankafy haisoratra sy ny mpitia Tenindrazana.

NY TANTARANY
PôetaWebs
Raha tsiahivina kely ny tantara dia RAHAINGOSON Henri na Di... no namorona ny Iray Volan’ny Teny Malagasy. Roa Andron’ny Teny Malagasy no niandohany tamin’ny taona 1993, ny 25 sy 26 jona, ka niitatra ho ny volana jona manontolo. Olomanga manan-toerana lehibe amin’ny fikajiana ny teny izy ary Filohan’ny Hava?tsa-UPEM tamin’ny fotoan’androny.

Manohy ny hafany araka izany isika mba hiarovana izany teny mamintsika izany, ho eny am-bavan’ny Malagasy hatrany ary hitohy ho velona mandrakariva.


HETSIKA HAVATSA-UPEM FRANTSA FACEBOOK
PôetaWebs
Izany indrindra no mandrisika ny Hava?tsa-Upem Sampana Frantsa hankalaza ny Iray Volan’ny Teny Malagasy eo amin’ny vondrona Facebook an'ny fikambanana, efa nanomboka ny lohan’ny volana Jona.

Ankoatra ny fizarana aingam-panahy eo dia misy ny “Voambolana tranainy hovelomina” izay manentana ny olona hizara voambolana tsy faheno firy intsony nefa tena mahalaza ny tian-kampitaina, manan-karena mantsy ny teny malagasy. Hangonina anaty boky kely ireny teny ireny ary hanaovana lahatsoratra manokana hiarahana amin’ireo nizara azy. Ho ao amin’ny boky izany ny anaran’ny mpandray anjara ary hahazo loka izay mavitrika indrindra. Takelaboky na “Liseuse” no hatolotra. Mampirisika hamaky ary hampiasa ny voambolana malagasy mba tsy hohadinoina no anton’izany. Mbola mitohy io ka mandeha isan-kerinandro ny litera :

- Voalohany : 3 jona - 8 jona ny teny miantomboka amin’ny litera A, B, D, E, F
- Faharoa : 8 jona - 15 jona ny G, H, I, J, K
- Fahatelo : 16 jona - 22 jona ny L, M, N, O, P
- Fahefatra : 23 jona - 30 jona 2020 ny R, S, T, V, Z




FAHA-60 TAONAN’NY 26 JONA, FAHA-185 TAONAN’NY BAIBOLY MALAGASY VITA PRINTY
Raha jerena dia misy rohy lehibe ny daty nofidin’i Di... ho an’ny andron’ny Teny Malagasy sy ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena. Etsy an-daniny koa ny toeran’ny famadihana ny Baiboly ho amin’ny teny malagasy izay nanamarika ny Vanim-potoana Kristianina teo amin’ny literatiora malagasy an-tsoratra. Koa hankalaza ireo fotoan-dehibe ireo amin’ny alalan’ny haisoratra isika ny 20 jona 2020 eo amin’ny tambajotra Facebook, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ora Frantsa, 3 ora sy sasany tolakandro ora Madagasikara. Ny mpankafy haisoratra dia asaina avokoa hirotsaka ao amin’ny vondrona, hanoratra eo amin’ny rindrina misy ny fanasana, handray anjara.

Enimpolo minitra hatokana hanaovana ANTSA TOHY VAKANA no hatao, ka samy hivimbina ny lahatsoratra sy ny vetsovetsom-pony ny rehetra. Iray minitra isaky ny mpandray anjara raha 60 isika, ka tongava ny avy amin’ny lafy valon’ny Nosy sy avy amin’ny vazan-tany efatra, hiray feo hiantsa ho an’i Madagasikara sy ny tenin-drazana !

Ny toromarika dia hanao fanamiana miloko ny sainam-pirenena malagasy fotsy mena maitso na hanao fitafy tena malagasy isika rehetra.


PôetaWebs

Indreto izahay Havatsa
Tonga tsy mivatravatra
Fa  hanandratra ny teny
Sy hilaza ombieny ombieny
Fa hafa raha ny teny gasy
Rehefa tena tsy misy tasy
Tsy mandeha irery anefa
Fa miaraka manefa

(...)

Ramy Laza 12/06/2020

Ho an’ny fandrindrana dia mila mampilaza mialoha ka mariho eo amin’ny sary ny fahatongavanao handefasana hafatra mialoha ny zoma 19 jona. Izay tonga aloha no raisina mandra-pahafeno.

Tononkalo, lahateny, kabary, sombin-dahatsoratra, ohabolana voafidy,... momba ny fitiavan-tanindrazana, ny tenindrazana, ny tolona, ny fiaraha-monina, ny fiainana, ny kolontsaina, ny fitiavana, ny taranaka,... no hantsaintsika. Samy mitondra ny anjarany.

Hararaotina ny fisian’ny aterineto sy ny tambajotra mba tsy ho voasaraky ny elanelan-tany isika, na aiza na aiza misy ny tena, rehefa hanandratra ny antsika Malagasy.
Rohy hahafahana mandray anjara
https://www.facebook.com/groups/214601245240606/permalink/3607912405909456


Tatitra sy sary : Hanitr'Ony
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 17/06/2020