FIFANINANANA POETY MALAGASY 2
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
11/06/2021

FIFANINANANA POETY MALAGASY 2
Ho tohin’ny tamin’ny taon-dasa dia mikarakara ny fifaninana tononkalo sy sombintantara andiany faharoa indray ny Mad-Appli sy ny vondrona Tahalan'ny Tantara an'Onjampeo. Hampidirina amin’ny rindrankajy POETY MALAGASY ny tononkalo voafantina amin’izany. Tanjona ny hanaporofoana amin’izao tontolo izao fa mbola velona sy miaina ny asa soratra malagasy ary ezaka ampifanakaikezana ny olona sy ny boky koa izany.
Pôetawebs

Efa finday no kilalaon’ny maro ankehitriny ka mihavitsy ny mamaky boky malagasy. Ny mamaky boky vahiny anefa mitombo hatrany satria efa maro ny boky vahiny azo vakina am-pinday. Noho izany, tsy entina mamono ny literatiora malagasy ny fivoaran’ny teknôlôjia fa ahafahana mampiroborobo ny haisoratra malagasy koa.

Ny fepetra tsara ho fantatra momba ny fandraisana anjara dia nadika eo ambanin'ity lahatsoratra ity.

Alefaso hafatra miafina amin’i Voamboana Varongy na i Fidy Mikanto na i Arilala Razafindramiarana na alefaso mailaka amin’ny adiresy menavona@gmail.com alohan’ny 30 Jona 2021 amin’ny 12 ora alina. Endrika “word” no andefasana azy. Marihina fa tsy mifidy taona ny fifaninanana ary miverina amin’ny tompony ihany ny asa soratra aorian’izany. Ny 15 Jolay 2021 no hivoaka ny valin’izany fifaninanana izany ka ho azon’ny rehetra vakina ny sanganasan’ireo mendrika tamin’izany.

Heriarilala Andriamamonjy

Fepetra ho an’ny fandraisana anjara

1-

2-
3-
4-
5-
6-






7-



Malalaka ny lohahevitra voizina
Hajaina ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy
Soratana amin’ny teny malagasy ôfisialy ny asa soratra
Rarana ny fampiasana ny asa soratry ny hafa
Ekena avokoa na asa soratra efa nivoaka tam-boky na tsia, na efa nampiasaina ankalamanjana na tsia
Ireo zavatra ilaina
. Ny momba ny mpanoratra (miaraka amin’ny solonarana raha misy): anarana feno, daty sy toerana nahaterahana
. Ny mampiavaka anao mpanoratra: ny foto-kevitra ijoroana, fomba fanoratra sns.
. Ny fikambanana misy anao (raha misy)
. Sary roa: sary lava na tapaka
. Sanganasa iray: tononkalo na sombintantara
Endrika anehoana ny sanganasa
. Raha tononkalo: andininy 3 ahitana andalana 4 isaky ny andininy 1.
. Raha sombintantara: tsy mihoatra ny voanteny 500

© Pôetawebs
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 11/06/2021