Créer un site internet
FANAHIN’IDEALY
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
17/07/2021

FANAHIN'IDEALY
Fanahin’Idealy, io no boky voalohany navoakan’Idealy Fahafahana na RANDRIANAIVO Jean Yves Mamy. Pôeta mandeha irery izy fa tsy ao anaty fikambanana.  Tononkalo 50 no ao anatin’ity boky misy takila 51 ity. I Fanja Razah no manolotra azy. Anisan’ny tara-kevitra tsikaritra ao ny fivetsoana fanantenana sy fikaloana ny tontolon’ny fitiavana, ny fandinihana ny fiainam-piarahamanonina, ny fankaherezana ary ny fanankinam-po amin’Andriamanitra. Any amin’ny mpanoratra no ahitana ny boky amin’ny vidiny sahaza ny rehetra.
Pôetawebs

Nanomboka nanoratra tamin'ny 10 Jolay 2014 i Idealy Fahafahana, fito taona izay. Araka ny solon’anarany dia manana ny etika pôetika hoe mpandresy isan-tsegondra izy. Raha vahavahana mantsy izany anarany izany dia midika hoe: tanjon’ny saina ny Idealy ary kendrin’ny fanahy ny Fahafahana ka eo anivon’ny soratra no anatanterahana azy araka ny fanazavany.

Eto am-pamaranana dia indro ny hafatry ny pôeta ho an’ny mpanaraka ny tranonkalantsika : “Manentana ny vahoaka malagasy aho hiverina hitia ny famakiam-boky ary manentana ny mpanoratra koa hanaja ny asany, hanasina ny kantony an-tsoratra. Dia ho ela velona anie ny literatiora malagasy!”

Heriarilala Andriamamonjy

Pôetawebs
© Pôetawebs
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 29/08/2021

×