Créer un site internet

Radio Fahazavana - Fifaninanana tantara an'onjam-peo

Fifaninanana sombin-tantara Radio Fahazavana 2018


Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.

T.Ràja
16 desambra 2018
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Radio Fahazavana - Fifaninanana tantara ?an'onjam-peo
Pôeta telo no voalohany : Edena, Ravorombato, Ranarivelo Roël
— Lahatsoratr'i Toetra Ràja 

Pôeta samy matselaka tsy zoviana amin’ny mpisera eto amin’ny Pôetawebs no mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana tantara an'onjam-peo nokarakarain’ny Radio Fahazavana. Notolorana valisoa ny 14 Desambra 2018 tao amin’ny efitrano malalaka CEMDLAC izy ireo :
- Edena na Mahefasoa Naddy Alpha tamin’ny tantarany milohateny hoe TEFY
- Ravorombato na Ravorombato Ony Lantoarimamy tamin’ny tantara LAZAIKO ANAO NY FAHATSARANY
- Ranarivelo Roël na Ranarivelo Harilala tamin’ny tantara hoe MANAIKY HO IRAKA.

Napetraka ho lohahevitra nobanjinin’ireo mpifaninana ny hoe: “Ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo”. Ny votoatiny dia mirakitra foto-pisainana kristianina sy miaina ny maha Malagasy ka ho tantara manabe sy mampandroso ny lafim-piainan’ny olona eo anivon’ny fiarahamonina. Notakina tamin’izy ireo ny fanajana ny teknika amin’ny fomba fanoratra tantara an’onjam-peo toy ny halavan’ny tantara sy ny mpandray anjara ao anatiny.
Mpiahy sady mpanohana voalohany izao hetsika izao ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi - Filohan’ny FJKM, ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka tamin’ny alalan’ny OFNAC.
Mpanohana kosa ny Madagascar Save sy ny Vondrona Tiko.

Ny mpitsara ny fifaninanana dia i Saholy Rakotonanahary, Eric Ravalisoa, Ranöe ary i Tsiky Rakotomavo.

Nisy ny antsan-tononkalo niarahana tamin’i Zo-Nantenaina, Meva, Tsiahy Andrianina.
Novelomin’i Hanitra Olive, Ravaka, Tsiahy ary Meva an-tsehatra kosa ny tantara nahazo ny laharana voalohany mialoha ny fizarana ny valisoa.

Tiana ny manamarika fa niraratra aoka izany ny efitrano tao amin’ny CEMDLAC noho ny ravaka niavaka narantin’i Tsiahy Andrianina nandritra ity fotoana niavaka ity.

Marihina fa maro amin'ireo Pôeta malagasy hatramin'ny andro taloha no havanana amin'ny famoronana tantara. Izahay eto amin’ny Pôetawebs dia miarahaba an’i Edena sy Ravorombato ary Ranarivelo Roël izay samy Pôeta matselaka. Mariky ny fanondrotana ny literatiora malagasy tokoa ny fivelaran'izy ireo amin’ny endri-panoratana samihafa : tononkalo, tantara an'onjam-peo, sombintantara sns.


Tefy, bokin'i Edena
Lazaiko anao ny fahatsarany, bokin-dRavorombato
Manaiky ho iraka, bokin-dRanarivelo Harilala
Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Pôetawebs

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/12/2018