Ranoe, Akademisianina mpiara-miombonantoka

Tsikimilamina Rakotomavo 27/10/2023

Akademia - Fanandratana an-dRanoe

RANOE, AKADEMISIANINA MPIARA-MIOMBONANTOKA

Anisan'ireo mpikambana nasondro-daharana ho mpiara-miombonantoka eo anivon'ny Akademia Malagasy i Ranoe, tao anatin'ny fivoriambe fanokafana ny taom-piasana akademika 2023-2024 teny amin'ny Lapan'ny Akademia Mlagasy eny Tsimbazaza.

Lanonana manetriketrika


Niavaka tamin'ny fomba manetriketrika ny lanonana nanamarihana izany. Ankoatra ny maha poeta azy dia mpampianatra taranja malagasy sady iray amin'ireo mpanorina ny Faribolana Sandratra izy.

Ny Poetawebs dia faly miarahaba an'i Ranoe noho izao dingam-piainana irosoany izao.


Fivoriamben'ny taom-panokafana akademika


Nanamarika an'ity fivoriambe ity ny tatitry ny taona 2022-2023 nataon'ny filohan'ny Akademia sy ny velakevitra notontosain-dRanjatohery Herilala sy Rabenalisoa Ravalitera. Ny lohahevitra "Ny hafatr'i Rainandriamampandry ho an'ny taranaka" dia mifandray tanteraka amin'ny tranga iainantsika amin'izao fotoana izao. Nanatrika ny fotoana i Herimanana Razafimahefa filohan'ny antenimieran-doholona izay taranak'i Rainandriamampandry ihany koa.






Date de dernière mise à jour : 27/10/2023