sehatra

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

05/07/2014

SARAMBA MIKALO, ANTSAN-TONONKALON'NY SANDRATRA

Saramba mikalo, io no lohatenin'ny antsantononkalo nifandrimbonan'ireo andriambavilanitra ao amin'ny faribolana sandratra, dia i Lova Santatra, Tsirinala, Ratsifa, Hanitra Olive, Lolotsiky, Haingohaja, Soambinintsoa ary Malalatiana Hasina, ny asabotsy 28 jiona teo!

Niavaka tokoa ny seho satria samy niantsa ny tononkalony ireo vehivavy rehetra nandray anjara; nisandrahaka tamin'ny lohahevitra maromaro izany, toy ny fitiavan-tanindrazana, fitiavana an'Andriamanitra, fitiavana eo amin'ny olon-droa amin'ny endriny maro, ny reny, ny vehivavy, sy ireo nofinofy maro. Toa voahodidina avokoa ny fisiana rehetra, voafehin'ny antsa tao anatin'ny adin'ny roa, ka nampianoka tanteraka ireo mpanatrika ny kanto tovozina anatin'ny soratra!

Noravahan'ny hiran'ny tarika Hasina moa izany dia vao mainka feno tanteraka ny seho. Nisy moa ny boky namidy mirakitra izany antsa izany.

Dia mirary azy valo mirahavavy ho lava velona ao amin'ny kantony mba hanandratra hatrany ny teny malagasy!

Havatsa 32 soisy 140504 2 50

Hanitra Olive

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×