Créer un site internet

Hetsika Tantely amam-bolana

Sehatra - 28/11/2023

Hetsika tantely amam-bolana
Tatitra : Poetawebs

HETSIKA TANTELY AMAM-BOLANA

Tontosa ny sabotsy 25 Novambra 2023 lasa teo ny famoahana ny boky TANTELY AMAM-BOLANA. Tsangambatom-pahatsiarovana ny fahafolo taona nilomanosan'i Faniry Ezeckiel tao anaty literatiora sady nankalazana ny tsingerin-taona nahaterahany omalin'io hetsika io ity boky vaovao ity .Teo ambany fiahian'ny fitaleavam-paritry ny kolontsaina ao Vakinankaratra ny seho ary ny Faribolana Sandratra sampana Betafo no niara-nisalahy tamin'ny fandavorariana ny fotoana rehetra.

Fanokafana


Nosokafan'ny talem-paritry kolontsaina eto Vakinankaratra, Rakotosolofo Serge tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika raha vao nigadona ny tamin'ny roa ora tolaka andro. Nambarany tamin'izany fa dingana lehibe ny fahavitana boky tahaka izao ary nirary ireo zandry hanaraka izany koa ny tenany.


Teny fanolorona sy ny sorapiainana


Nitohy tamin'ny famakiana ny teny fanolorona sy ny sorapiainana ny fotoana.Tsy afaka nanatrika izany ny poeta Toetra Ràja (nanolotra ny boky) sy ny mpanoratra Fetra Azazel (nanao ny Sorapiainana) noho ny halaviran-toerana ka ny mpanoratra isany Solomon Rakotonirina sy i Fo Mitahiry Fitia no namaky izany.


Tononkalo sy velakevitra ary fifampizarana


Nodimbiasan'ny tononkalo fito nantsain'i Faniry Ezeckiel ireo fanombohana ireo. Vela- kevitra momba ny boky TANTELY AMAM-BOLANA nentin'ny mpanoratra azy no nandimby izany, narahina hafatra ho an'ireo mpanotrona rehetra. Nisongadina tamin'izany ny tenin'i Faniry Ezeckiel hoe: "Aza atao fitaovana hanandratana ny tena ny literatiora".


Raha efa izany dia nampianoka tononkalo nifamaliana tamin'i Faniry Ezeckiel ireo mpanoratra vitsivitsy avy amin'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo, narahin'ny antsa tononkalo miisa valo ,notsongaina avy tao anaty boky.

Nialoha ny  teny fisaorana, nomena sehatra nifampizarana aingam-panahy ireo solon-tenan'ny fikambanana mpanoratra nanoina ny fanasana. Nanakatona ny fotoana ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny Kolontsaina any Vakinankaratra.

Tiana ny manamarika fa nelanelanin'ireo mpanan-talenta avy amin'ny Faribolana Sandratra Betafo vazo sy fahakingan-tsaina  izany rehetra izany. Nanentana ny fotoana manontolo kosa i Ni Avatsa Andriamanalina. Teo am-baravaran'ny efitrano nandraisana ny lanonana kosa no naranty ny boky TANTELY AMAM-BOLANA.

Maro ireo sokajin'olona tonga nanome hasina ity famoahan'i Faniry Ezeckiel ny boky TANTELY AMAM-BOLANA ity: Poeta sy mpanoratra, mpanabe, mpianatra, olon-dehibe sy tanora maro, mpankafy...

Velona sy miroborobo fatratra ny tontolon'ny fanoratana aty amin'ny faritra Vakinankaratra ary antenaina hahatety ny vanim-potoana ireny tahirin-tsoratry ny mpiangaly literatiora ireny.

FaniryEzeckiel notronin'ireo ray aman-dreniny

FaniryEzeckiel sy Ni Avatsa

FaniryEzeckiel sy Yanala (Faribolana Sandratra Betafo)

Yanala sy Bitsika Fanahi, nandranty ny boky

Hiaka Mikalo sy Yanala nampiara-peo

FaniryEzeckiel niantsa tononkalo

Ireo Faribolana Sandratra Betafo
niaraka tamin'ny mpijery


Faribolana Sandratra Betafo

Ireo efatra mirahalahy nanorina sy nanodina voalohany ny Faribolana Sandratra Betafo : Ny Avo Elabakaka, Faniry Ezeckiel, Fo Mitahiry Fitia, Ni Avatsa

Ireo mpijery

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 28/11/2023