Nirihaja, poeta miokitra

Sehatra - 19/11/2023

Halo project - Nirihaja
Tatitra : Toetra Ràja

NIRIHAJA, POETA MIOKITRA

Niharihary ny maha poeta miokitra an'i Nirihaja izay midika hoe milofo amin'ny tsara mandrakariva nandritra ny hetsika Halo Project notontosaina tao amin'ny IVOKOLO Analakely ny 18 Novambra 2023.

FANOLORANA SY LAHATENY

Nanolotra ny fotoana i Mampandriniaina Manitra. Nisantatra ny fotoana ny lahateny fanolorana an'iNirihaja nataon'iTsikimilamina Rakotomavo izay mpandrindra ny Poetawebs. Notohizin'i Jean Nalisoa Ravalitera tamin'ny firariantsoa sy fisaorana ny Poetawebs manandratra hatrany ny poezia malagasy izany. Amin'ny maha fotoana miavaka ho an'i Nirihaja ity sehosehatra ity dia nanao lahateny fisaorana izy ho an'ireo nifanohana taminy.

HASAMBARANA IRAY FELANTANANA


Nianoka avy hatrany ny teatra poetika "Hasambarana iray felatanana" ny rehetra taorian'ireo fifandimbiasam-pitenenana ireo. Niavaka tokoa ny seho ary tsapa ny fahaiza-manaon'i Nirihaja sy ny tropy Volivolana nampiaina tamin'ny alalan'ny teny sy fihetsika ny seho. Izany rehetra izany dia nifandrindra tsara tamin'ireo sary sy haingon-tsehatra teny amin'ny efijery lehibe. Ny poeta Mina Ilarion no teknisiana nandrindra ny lafiny ara-teknika tamin'ny sary sy ny feo.

Henin-kasina ny fotoana notronin'ireo zoky mpanorina sy ireo mpiraifaribolana Sandratra, ny filohan'ny Havatsa ary ireo mpankafy maro. Tsongaina manokana koa ny nahatazanana tao an'efitra ny poeta sy mpanoratra Mahefa sy ny zanany, Tsitohery, Tiavina, Fanja Razah...

Ny tranonkala Poetawebs dia miarahaba manokana an'i Nirihaja nahavita dingana lehibe teo amin'ny literatiora.

Mampandriniaina Manitra - Tonian-danonana

Tsikimilamina Rakotomavo nanolotra ny sorapiainan'i Nirihaja sy ny amboaran-tononkalo

"Poezia... fiainako" - Nirihaja

Ireo 30 taona naha mpiarifaribolana Sandratra azy

Nirihaja nisaotra ireo mpanohana azy

Olivolana ao anatin'ny rindra milamina

Fihetsika miavaka sy mahatalanjona

Ireo andiana poeta sy mpanoratra nanotrona :
Ratsifa, Fanja Razah, Tsikimilamina Rakotomavo, Tsitohery Raolona

Date de dernière mise à jour : 19/11/2023