Créer un site internet

logo

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

08 Novambra 2014


 SEHO HATSIKANA MALAGASY !!

Fotoanantsika manaraka - fahafolo taonan'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa (2004-2014)

 

15 novambra 2014 amin'ny 18h00 ao amin'ny Foyer de Grenelle, 17 rue de l'Avre 75015 Paris (M° La Motte-Picquet Grenelle)

Fampisehoana "Tsikin'ny Poety", hira, tononkalo mampihomehy, dìa miangola miaraka amin'ny tovovavin'ny Tany Harena Tharena Mada.

Mpanakanto D-Lain, Toto Mwandjani sy hafa koa. Arindran'i Abel Andriarimalala.

Mofomamin-Tsingerin-taona!

Hisy Boky malagasy, tsakitsaky sy sakafo malagasy hamidy.

Tongava maro e! Ento ny namana !

  SEHO HATSIKANA MALAGASY !!

NDAO HIALA VOLY!

Mba azonao an-tsaina
Ny tononkalo miaina
ambony zazavavy ?
Tongava hijery azy !

Dìa miangola
Anaty feo midola
Zavavy kasikasy
Sy Teny Malagasy

Ary moa ise
Mba tia mihomehy ?
Misy mahatsikaiky
Ny tononkalo aiky

Manapa-tsinay
Ary dia mahay
Mampitokiky
Ireo poeta iky!

Ny gadona mozika
Mahazatra antsika
Dia mivady tsara
Amin'ny ambara

Mbola hisy mamy
Ho zinara izany
Ho an'ny mpijery
'ty seho hafa kely.

Ka aoka tsy hoheverina
Fa feo mitamberina
Na hoe mimalomalo
Rehefa tononkalo

Fa tena hafa mihitsy
Ary tsy hitsitsy
Talenta ny poety
Ho anao 'zay ho eo mba mety

Ka tongava re
Hiray vatsy sy hehy
Fa hisy tsakitsaky
Ankoatra ny hehy ho vaky!

Ka tsy ho fety ahoana
Ny tsingerintaona
Fahafolo eto Frantsan'
Ny Sampana Havatsa !!

Tongava maro
Ary alaharo
@"TSIKIN'NY POETY"
Ny nify mba hirenty


Hanitr'Ony


poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021