Créer un site internet
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta
26 marsa 2018

 

Pôetawebs 2017ROHIZO FITIA

Tontosa ny 21 marsa 2018 teo tao amin'ny Cemdlac Analakely ny hetsika ROHIZO FITIA niarahana tamin'ny MPIZAKA STELARIM. Azo lazaina fa nahasarika mpankafy maro ny hetsika izay naharitra adiny roa. Ireo mpandrohy fitia nandritra izany fotoana izany: Tahina, Finaritra, Elisah Mbolatiana, Fanojo, Aja, Fotopisaina, Mamiratra, Riana Fitiavana ary FiFi Razakarison. Mc Zo no teo amin'ny fanentanana.

Nozaraina roa ny fandaharana. Tao amin'ny fizarana voalohany no nilalaovana ny tantara fohy "Ny poeta sy ny mpivarotena", nosoratan'i Riana fitiavana. Io tantara io dia maneho ny maha olona miavaka ny antsoina hoe "poeta", hany ka na teo aza ireo haraton'ny mpivarotena dia hainy ny niala tamin'izany. Nialohavan'ny hira sy antsan-tononkalo "mianjaika fitiavana" ny tantara.

Tao amin'ny fizarana faharoa indray no nahitana ny tantaran'i Zily sy Mena, nosoratan'i Dezy na Rakotoarisoa Désiré, izay tantara efa be mpahalala satria efa maro ireo nampiaina azy an-tsehatra. Amin'ny maha mpizaka azy ireo no nameloman'izy ireo azy indray tao. Toy izao indray ny fizotry ny tantara : tovolahy tambanivohitra i Zily, tsy dia maharaka loatra ny rehaky ny tanora kanefa nampifoha ny fitiavan'i Mena izay tovovavy efa niaina taty an-drenivohitra. Nandeha teo ary ny adim-pitia ka niafara tamin'ny fiarahan'olon-droa ihany. Nialoha lalana izany hatrany moa ny hira sy ny antsa ary nofaranana tamin'ny antsan-tononkalo sy hira ihany koa.

Nalaina hody ireo mpankafy noho ny fankafizana kanefa dia nitsangana tsy satry handao ny efitra. Nahasarika mpijery maro ny hetsika, tazana teny ireo mpanoratra avy ao amin'ny Faribolana Sandratra toa an-dry Riambola Mitia, Narilala, Niry Solosoa, ary koa ireo mpanoratra namana marobe izay nianoka ny poezia tokoa. Tazana tao ny solontenan'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny sekoly mpiara-miasa ary olo-maro tsy voatanisa.
Manoloana izany dia fisaorana mitafotafo no natolotry ny mpitarika ny hetsika ho an'ny  mpankafy literatiora izay tonga nanome hasina an'ity hetsiky ny MPIZAKA STELARIM ity. Nankasitrahana ihany koa ireo mpiara-miasa amin'izy ireo ary indrindra ny Zanatsehatra Malagasy izay misy azy eny Ambohitsaina. Ny Pôetawebs dia miarahaba ny MPIZAKA STELARIM nahatontosa ity seho miavaka ity.
 

Tatitra sy sary: Léa Fandresena

Pôetawebs 2017   Pôetawebs 2017
poetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/03/2018

×