Créer un site internet
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

30 jona 2018

ANJANKIRA

Poety efatra mirahalahy mpiray donak'afo sy mpiraifaribolana ao amin'ny Sandratra no naneho ny hakanton'ny poezia sy ny firindran-teny voakaly narahim-peo miavaka, nantsoina hoe ANJANKIRA, tamin'ny Sabotsy 23 Jona 2018 teo, tao amin'ny efitrano malalaky ny CGM Analakely. Tsy iza izany fa i Andriniela, i Narilala, i Rojo ary i Zo Sitrakiniavo, niaka-tsehatra ho fanamarihana ihany koa ny fankalazana ny iray volana anandratana ny teny Malagasy.

Nahavory olona maro izany na dia teo aza ny fahabangana noho ny fandaozan’i Haingo mpiraifaribolana sy ny fihemoran'ny fanombohan'ny hetsika.

Niavaka ny fizotry ny seho satria toko telo no niketrehan’izy ireo ny hetsika.
Fankalazana ny teny izay miresaka ny fanahy Poeta no nisantaran’izy ireo ny seho.
Tononkalom-pitiavana ranofotsiny no nanohizana izany. Ny fitiavan-tanindrazana no novetsoin’ireto poeta ireto taorian’izay.

Na dia izy efatra mirahalahy voalaza tetsy am-piandohana aza no tompon’ny fotoana dia nisy hatrany ny fiaraha-mientana teo amin’ny mpiraifaribolana teny an-tsehatra, anisan’ireny i Nirihaja, Ony Mihajanirina, Kalo Fanomezana, Eluart, Mina Ilarion, Herimandaniaina. "Anjankira" ihany koa no lohateny nomena ny boky namidy tao. Miisa 118 ny takilany ary mirakitra tononkalo 80 nialohavan'ny teny fanoloran'i Nalisoa Ravalitera anisan’ny zoky mpanorina ny Faribolana Sandratra.

ANJANKIRA! Nahaliana tokoa ireo mpijery ny fihetsika samihafa nasehon’ny mpiantsa ka indraindray ankona tsy mahateny, tsy mahatehaka aza indraindray fa tena diso nianoka tao anatin’ny tontolon’ny ANJANKIRA....

Tsikaritra fa tononkalo feno fanahy, mampieritreritra, mitondra ny rehetra ho eny amin'ny habaka hafa miohatra izay tsapa sy re.

Ny Pôetawebs dia mirary an’i Andriniela, Narilala, Rojo ary Zo Sitrakiniavo hitombo hasina eo amin’ny tontolon’ny kanto ary maniry ny hitohizan’ny seho mahaliana tahaka izao amin’ny manaraka.

Tatitra: Tsikimilamina Rakotomavo
Sary: Faribolana Sandratra

 
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
×