Créer un site internet
Poetawebs
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

08 septambra 2018

DIA RODOBEN’NY VAKIBOKY AN-DALAMBE
Tatitr'i Heriarilala Andriamamonjy

Nanatanteraka hetsika lehibe ny Fikambanan’ny Pôety sy ny Mpanoratra Malagasy Havàtsa-UPEM ny 5 septambra 2018 lasa. Ity no hetsika nosafidina hanamarihana ny fahatraran’ny fikambanana ny faha 66 taonany. Hamporisihana ny olona ho tia vaky boky no anton’izany, tsapa mantsy ankehitriny fa mihen-danja ny fitiavan’ny olona ny boky noho ny firoboroboan’ny teknôlojia. “Izay tia vakiboky, tia fahalalana, tia fandrosoana”. Izay no teny filamatra novoizin’ireto mpitia ny haisoratra malagasy sy mpandala ny tenindrazantsika ireto, filamatra izay antenaina fa ho voarain’ny ankizy, ny tanora ary ny antitra.

Raha tsiahivina dia tamin’ny 11 ora teo no nanomboka ny hetsika tamin’ny alalan’ny lahateny nataon’i filohan’ny
Havàtsa-UPEM, Andrianasolo Hajaina, nilaza fohifohy ny tantaran’ny fikambanana izay zokiny indrindra amin’ny fandalana ny haisoratra aman-kolontsaina malagasy. Manaraka izany no nanomezany ny toromarika amin’ny fizotran’ny dia. Nandimby azy teo amin’ny fandaharan-teny ka nanolotra ny arahaba sy firarian-tsoa Andriamatoa Ranjeva Raymond, Filohan’ny Akademiam-pirenena Malagasy, izay naneho ny fahavononany hirotsaka an-tsehatra hirodorodo an-dalambe amin’ny famakiam-boky. Roso àry ny dia, avy teo amin’ny tokotany malalaky ny Lapan’ny tanàna no niainga. Novohaina mantsy ny vavahadin'ny Lapan’ny tanàna noho ny fanomezan-dalana azo avy tamin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Nitanjozotra nankany amin’ny lalana manoloana ny Gara Soarano ny dia, nihodina ka nizotra mahitsy nihazo ny Tahala Rarihasina. Nandritra izany, karazan’olona maro no voasarika: tao ireo mpianatra mpikaroka, ny mpampianatra mpikaroka avy eny amin’Anjerimanontolon’Antananarivo, ny mpiraifaribolana Sandratra, ny mpankafy ny haisoratra samihafa, ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny Asa tanana ary fiarovana ny Vakoka, niampy olon-tsotra isankarazany.

Niavaka teo amin’ny fanamiana ny mpikamban’ny Havàtsa-UPEM raha nitafy fotsy ambony izay tandindon’ny taratasy ary mainty ambany manamarika ny ranomainty.

Tody soa aman-tsara teo amin’ny Tahala Rarihasina ny mpamaky boky an-dalambe tamin’ny 12 ora latsaka fahefany. Notoloran’ny Filohan’ny Havàtsa-UPEM fisaorana ireo rehetra tonga nanoina ny antso. Nifampitohy tamin’izay koa ny fanoloran’i Esther Randriamamonjy fanomezana ho an’ireo zandriny indrindra sy zokiny indrindra tonga nanatevin-daharana ny mpamaky boky an-dalambe teny. Marihina fa i Lainirianah, zazavavikely roa taona izay zanaky ny mpanoratra Griffine Bakoliniaina no zandriny indrindra. Naomy, vehivavy lehibe 80 taona, no zokiny indrindra. Nisy koa ny fanomezana natolotra ny zazavavy roa, i Dion zazavavy 9 taona sy i Fitiavana zazavavy 10 taona, nilanja ny sorabaventy milaza hoe: "Andron'ny Haisoratra, dia rodoben'ny vakiboky an-dalambe". Mba hanamafisana ny voalazan’ny teny filamatra hoe: “Izay tia vakiboky, tia fahalalana, tia fandrosoana". Nasaina manokana ny pôety Griffine Bakoliniaina mba hiantsa andian-tononkalony iray ao amin'ny bokiny "Hetahetako", tak 12 hoe:

“Raha misy fivoarana
Mandrobona malaky
Ny boky no fiakarana
Meteza re hamaky.”

Nofaranan’ny filoha am-boninahitry ny Havàtsa-UPEM, Madera na Ramakavelo Desiré Philipe, ny fotoana tamin’ny alalan’ny fisaorana ny rehetra vory lanona teo amin’ny tokotany malalaky ny Tahala Rarihasina.

SANTATRA na FAMAKIANA LAY no azo ilazana izao hetsika izao eo amin’ny sehatry ny haisoratra malagasy nefa hita ho nahomby tokoa raha ireo tonga nanoina ny antso sy variana teo am-pahitana ny mpirodorodo an-dalambe no jerena.

Tatitra: Heriarilala Andriamamonjy
Sary: Griffine Bakoliniaina sy Ny Ami



Teo amin'ny tokotaniben'ny Lapan'ny tanàna, mialoha ny fiaingana.
Nanao pikatena i Dol'Aj manoloana an-dry Felana (Sandratra) etsy ankavia, Griffine Bakoliniaina, Aina Vonona, Hajaina, Vero (Rasoaveromanana), Lala Agnès Rakotoson ary Aimée (Mpampianatra eny Ankatso)

Esther Randriamamonjy, notronin'i Hajaina, manolotra fanomezana ho an'i Lainirianah




Eny an-dohan-daharana ny Havàtsa-Upem,
arahin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny Asa tanana ary fiarovana ny Vakoka

Eo andaharana, mifangaro ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ireo mpanandratra ny kolontsaina malagasy



Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/09/2018