Poetawebs
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

30 ôktôbra 2018

LAZON'ADY
TERAKY NY LOKANADIN’I ARO, GAZELA MEVA, RISO LALASON ARY TSITOHERY
Tatitr'i Tsikimilamina Rakotomavo

Seho mandamina no hita teny amin’ny CGM Analakely ny sabotsy 28 ôktôbra 2018. Lazon’ady teraky ny Lokanadin’i ARO, GAZELA MEVA, RISO LALASON ARY TSITOHERY no naseho an-tsehatra. Hira milanto no nisantaran-dRalanto ny sehatra. Fampahafantarana ireo Pôeta tsirairay no nataon-dRiambola Mitia taorian’izany. Fanolorana am-pitiavana ireto Pôeta efatra mbola mikiry sy manohy hatrany ny fanolorana ny kanto avy eo no nataon-dRanoe sy Nalisoa Ravalitera izay mpanorina ny Faribolana Sandratra.

Nahitana fizarana 3 ny antsa tao amin’ny tapany voalohany izay nahitana tononkalo 30. Nifanohana tamin’ ireo Pôeta tompon’ny fotoana ny mpiraifaribolana toa an’i Hery Mandaniaina, Andriniela, Laingotsiky, Liantsoa, Anjara Tsiahy, Ratsifa, Nirihaja. Ny tapany faharoa no nidinidinika niaraka tamin’ ireo Pôeta ireo ny mpanatrika.

Anna Ntsoa mpihira Jazz, zanak'i Tsitohery ihany, sy ny tarika Mihirà, misy an'i ARO ihany, ary zanak'i Riso Lalason izay nitendry valiha no nandravaka ny fotoana.
Tsikaritra teny an-toerana ny amboaran-tononkalo Lazon’ady mirakitra ny tononkalon’ireto Pôeta ireto ary novokarin’ny Faribolana Sandratra.


RESAKA ANJORONY

Manana ny ambarany ihany koa ireo mpanatrika ny hetsika.

- Felana (mpianatra ho mpitsabo)
"Efa mpanaraka ny hetsiky ny Faribolana Sandratra aho fa hafa indray ny seho hitako androany : tsotra, matotra".

- Tantely (mpianatra lalàna)
"Mahaliana hatrany ny ataon’ireto Faribolana Sandratra ireto".

- Sarobidy (Renim-pianakaviana)
"Manohina ny foko ny mahita ny zanak’ireto Pôeta manan-talenta ireto. Manaranaka tokoa ny talenta an!"

Ho antsika izay tsy nanatrika ny fotoana àry dia manasa anao hianoka izay voarakitra tao anaty lazon’ady (Tononkalo etsy ankavanana).

Ny Pôetawebs dia mirary an’i Aro, Gazela Meva, Riso Lalason ary Tsitohery hitozo hatrany amin’ny famoronana sy fampahafantarana ny kanton’ny teny.

Tatitra sy sary : Tsikimilamina Rakotomavo



Izy efatra mianadahy nanandratra ny Lazon'ady. Miankavanana :
Aro, Tsitohery, Gazela Meva, Riso Lalason

Ranoe sy Nalisoa Ravalitera eo anoloan'ny sehatra, manaja ny mpijery
eo am-panolorana azy efatra mianadahy




Nalisoa Ravalitera, nitodika tamin'ireo "Mpilokanady"

Riso Lalason, mijoro, miangaly kanefa tsy voafatotry ny taratasy



Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
 

Date de dernière mise à jour : 30/10/2018

×