Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


15 Novambra 2011
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

 

TONDRO ZOTRA
Antsan-tononkalon'i Zo Nantenaina - 20 novambra 2011
 
Tsy mijanona amin’ny toerana iray ny fanaovana antsan-tononkalo fa mivelatra amin’ny sehatra hafa. Anisan’izany ny Antsan-tononkalo mitondra ny lohateny hoe “TONDRO ZOTRA” iarahana amin'i Zo Nantenaina, mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra, ny alahady 20 novambra  ho avy izao ao amin'ny FJKM Ambalavao Isotry, amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro.

“Tondro zotra”, izay manoro sy maneho hoe iry no lalana tokony aleha, na ity no lalana mahitsy sy marina tokony arahina, toa ireny takelaby hita amin'ny lalana ireny izany, izany hoe raha adika ho teny frantsay io dia tsy midika hoe "feuille de route" velively fa "flèche directionnelle", araka ny fanazavan’i Zo Nantenaina. Nomarihiny fa tsy misy resaka politika ity antsa ity.

Marihina fa efa nahafantarana an'i Zo Nantenaina hatramin'izay ny fanaovana antsa ao anaty trano fiangonana na teto Antananarivo na tany Toamasina ny alahady 05 septambra 2010,  izay niantsana ny " ADY VAROTRA FARANY". “Ao am-piangonana koa satria entina maneho io fa mampivoitra ny kanto Malagasy, indrindra ny soratra amin'ny sehatra rehetra ny Faribolana Sandratra”,  hoy ihany izy.

Fanampin’izay, amin’ny maha mpikambana an'i Zo Nantenaina ao anatin'ny Fikambanan'ny Mpitandrina Poety, izay izy no Filoha ankehitriny, sehatra iray hampitana ny fanabeazana ny fiangonana.

Hiaraka hiantsa amin'i Zo Nantenaina ireo avy ao amin'ny Faribolana Sandratra dia i Tiavina, i Saholy Rakotonanahary, i Nofy, ary ireo avy ao amin'ny Fikambanan'ny Mpitandrina Poety. Tononkalo roapolo eo no hantsaina, izay miresaka ny tontolo maha olona feno, ny zava-misy ara-pihetseham-po, ara-moraly ary ara-tsosialy izay mibahana amin'ny asa soratr'i Zo nantenaina.

Handravaka amin'ny feom-baliha i Voahangy, amin'ny gitara i Judith, sy ireo hafa. Hanelanelana amin’ny  hira kosa ny mpanakanto maro toa ny STK AMIS sy Titianah, ...

Hamaranana azy, mandritra io fotoana io no hamoahana ny amboaran-tononkalo mitondra ny lohateny hoe “VAROMBO” raha toa ka ny amboara mitondra ny lohateny hoe “AMPOKA” no efa navoaka tamin'ny taona 2009. Raha misy fanazavana fanampiny ilaina dia azo antsoina amin’ny finday : 034 36 845 64 i Zo Nantenaina.

Vaovao avy any amin’ny Faritra
Nahazoam-baovao ny Faribolana Sandratra ao Antsirabe. Hisy takalo traikefa momba ny haifanoratra eo amin'ny mpanoratra vahiny sy ny Sandratra ao Antsirabe, hatao ao amin’ny Alliance franco-malagasy, ny asabotsy 19 novambra 2011, amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro.

Karazana atrikasa izy io. Mbola hisy koa ny “Antsa amoron'afo”,  efa fanao isam-bolana amin’ny 26 novambra ho avy izao.
 
Nampita ny vaovao : Zo Maminirina

 

poetawebs@gmail.com