Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


24 novambra 2011
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


AKON'NY ONJAN'ANGOTY

 
 

 
 
Fanokafana ny taom-piantsan’ny Faribolana Sandratra ny Alarobia 26 Oktobra 2011 lasa teo. Nisantarana ny Fotoana fifanomezana amin’ny mpankafy ny haisoratra Malagasy isaky ny Alarobia fahaefatry ny volana ny antsantononkalo “Onjan’angoty”. Poeta 3 mianadahy no niaka-tsehatra : Tiavina, Avelo-Nidor ary Malalatiana-Hasina.
 

 

 


Malalatina-Hasina - Avelo Nidor - Tiavina

 

Tononkalo 37 no nantsaina tao amin’ny CGM ary indro ampahany amin’ny teny fanoloran’i Niry Solosoa heverina fa mamintina ny fahitany sy fahatsapany ny “Onjan’angoty” ihany koa  zaraina amintsika:
 
 
“Misafosafo morona toa topatopan’onja … misangy torapasika. Kotsa … vonto… manitry ny tsio-dranomasina mando iny morona iny…
 
Velombelona aina! Toy izany no fiakon’ny amboara   “ONJAN’ ANGOTY” tato amiko, ry Tiavina sy Avelo Nidor ary Malalatiana-Hasina.
 
Kotsa … vonto… manitry ny sarinteny tsara rindra sy voafantina ny foko, ny saiko, ny fanahiko … Miharihary izao fa “manan-kasina” ny Tenindrazantsika. MANANKASINA ho’aho ny TENINDRAZANTSIKA!    “Fitiavana – Fiainana sy Fahafatesana – Fitiavana”. Atosakareo amin’ireo fepetra maha olombelona ireo ny “ONJAN’ANGOTY” notovozinareo tao an-tsiniben’ny Tenindrazantsika, hany ka mitafy ny Tongalafatra ny fiainana… Eny, hatramin’ny fahafatesana aza … mainka moa fa ny Fitiavana! …”

 

Tsy hohadinoina ny fandrasaisan'anjara mavitrika nentin-dRalanto sy ny tarika Ngama tamin’ ny hira nandravaka ny antsantononkalo.
Nahavelom-bolo ny fahamaroan'ny mpanatrika,inoana fa mbola hiara-manandratra ny kanto isika.
Nampita ny vaovao : Malalatiana-Hasina
poetawebs@gmail.com