Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


11 novambra 2009
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Antsan-tononkalon'i Zo Nantenaina

Antsaina ao amin'ny fiangonana FJKM Ambalavao Isotry ny tononkalon'i Zo Nantenaina ny alahady 08 novambra 2009. Misy ampahany amin'ireo tononkalony ao amin'ny bokiny "Ampoka" no antsaina koa. Ny sampana Tily sy Mpanazava ao amin'ny fiangonana no nitoto nahafotsy an'ity fampisehoana ity. Miara-mifarimbona aminy amin'ny fiantsana kosa ireo namany Mpiray Faribolana dia i Rija Al-Jonah sy Tolotra ary Meva. "Ady varotra farany" no lohahevitra andrafetana ny fampisehoana. Ny fitsarana farany inoan'ny kristianina no ao ambadik'izany lohahevitra mampientanentana izany. Ny poezia malagasy amin'ny endriny vaovao, raha oharina amin'ny hain-teny, dia nivoatra malaky niaraka tamin'ny hiram-piangonana izay nifanojo tamin'ny nidiran'ny fivavahana kristianina nentin'ny Anglisy. Miompana amin'ny fiainana andavanandro, adim-piainana, fiaraha-monina sns ny tononkalon'i Zo Nantenaina izay azo lazaina fa mihataka kely amin'ny lohahevitra mahazatra ny maro dia ny fitiavana.

Tatitra : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

 

 

×