Saramba mikalo 2019

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
30 janoary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraSARAMBA MIKALO, FANAMBY TANTERAKA

Nampirindra fihetsika sy antsa ary hira ireo saramba 14 mpiraifaribolana Sandratra teny an-tsehatry ny CGM/GZ Analakely ny sabotsy 26 janoary 2019 teo. Nizara telo ny fotoana ka isaky ny fizarana dia samy nanana ny anjarany ireo saramba 14.

- Fizarana voalohany, nanehoana ny fitiavana sy ankohonana
- Fizarana faharoa, niresahana ny andavanandrom-piainana sy tanindrazana
- Fizarana fahatelo, natokana ho an'ny teny sy fanahy ary ny filozofia.

SARAMBA MITRAKA
Nasehon'izy 14 mirahavavy ny maha olona be fitiavana sy tsy mety kivy ny vehivavy izay mitraka hatrany na inona mitranga. Tamin'ny alalan'ireo tononkalo mampitraka namaranana ny isaky ny fizarana no nanehoana izany. Anisan'izany ohatra ilay tononkalon'i Soambinintsoa hoe "Tsikia", nanehoana ny sarim-bolana azo nobanjinina. Teo amin'ny tononkalo farany aza, tamin'ilay hoe "Mahagaga" dia izy 14 mirahavavy mihitsy no nanofahofa am-pitrakana ny saina Faribolana Sandratra  raha teo am-panononana ny teny faneva iny indrindra i Faniry Hantarinivo manao hoe: "Mbola io ianao mitraka mampijoro ny faneva".

HAISEHATRA VOAFOLAKA
Niavaka ny hetsika, voakaly ny fihetsika, hafa mihitsy ny fampiakoana ny mikro sy feo natiora. Forom-peo mampitony ny mpijery no narindra tamin'ny sarin'alokaloka sy tsilopin'ny efijery. Tao koa ny feon'aponga, tselatra narahin-kotroka. Mbetika nanonganonga, nefa injay fa tofotofoka...

Nahavariana tokoa ny famolahan'ny "Saramba mikalo" ny haisehatra fa hatramin'ny zanak'izy ireo aza no nahitana fomba nampandraisana anjara tamin'ny rindran-kalo. Toraka izany koa ny mpijery, niavian'ny lehilahy iray teny an-tsehatra, toy ny nanarina noho ny fitiavan-toaka: "Antso farany" izao hoy i Laingontsiky.  Na teny an-tsehatra aza ry Nirihaja dia nahafolaka ny fomba fanakaran-dresaka tamin'ireo mpijery nandritra ilay tononkalony hoe "Ianao... fanahy".

Liana ny olona, tsapa ho nankafy; mbetika nihomehy, indraindray ankona tsy nahatehaka... Nony nikatona ny takon-tsehatra, nisintaka ny mpanakanto, angaha tsy nalaina ny hitsangana ny rehetra?

Tononkalo 42 isa no nantsaina. Nivoaka tamin'io koa ny boky mitondra ny lohateny hoe "Saramba Mikalo" izay ahitana tononkalo 84. I Nalisoa Ravalitera no nanao ny teny fanolorana ary i Ranoe no niangaly ny sasinteny. Nanokanana takelaka koa ny mombamomba an'ireo saramba 14 nahatanteraka fanamby ireo.

Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Tsitohery

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 17/03/2024