Saramba mikalo 2019

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
23 febroary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

TENY MALAGASY !!!

Tenindreny, teny ibeazana, tenin-drazana...


TENINDRENY 2019Teny...
Ianao ange tompon-trano e
Koa nahoana no hihafy
Ianao tsy borizanon’
Ny teny avy any an-dafy
Ny hasinao no tano
Ary koa tandrovy mafy
Dia mitenena f’aza kamo
Ry teny malagasy
Eny... mitenena...
Ho an’ny fahaleovan-tena 
(Avelo Nidor)

Fihetsika miavaka sy nanakoako no nanehoan’i Mero Kosiky sy Ratsifa ary Tiavina izany tononkalo izany tao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (I.K.M.) ny alakamisy 21 Febroary 2019. Toy ny isan-taona mantsy dia nankalaza ny andro iombonan’izao tontolo izao momba ny teny ibeazana  na ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny isika.

Mpikanto samihafa toy ny Poeta, mpanoratra, mpikabary, mpiangano no nanafana ny seho nandritra izany.
 
Nisy ny lahateny nifandimbiasan’Atoa Hervé Rasamison mpandrindra ao amin’ny I.K.M., Atoa Lalao Rabenandrasana Filohan’ny F.M.T.S., ary Atoa Razafiarison Francis Alexandre (sary etsy ankavia) Tale Jeneralin’ny Kolontsaina teo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina. Nampitsiky hatrany moa i Tolotra Ramihary tamin’ny fanentanana. Seho kanto marolafy niarahana tamin’ireo fikambanana samihafa mivondrona ao amin’ny F.M.T.S. sy ireo mpianatra avy ao amin’ny sekoly ambony E.N.S. no nandravaka ny fotoana. Nifandimby tamin’izany ny tononkalo, Don-tany sy Kapo-tandroka, kabary samihafa, Kalon’ny fahiny...
 
Anisan’ny nanome hasina ity hetsika ity ny velakevitra notontosain-dRanjatohery Harilala milohateny hoe : "Teny Malagasy : enti-miaina ny fanatontoloana". Nasongadiny tamin’izany ny famaritana tsara ho fantatra mikasika ny  lohahevitra, ny entin’ny fanatontoloana ho an’ny Malagasy, ny lalana ahazoana miditra amin’ny fanatontoloana. Ity hevitra farany ity no nanasongadinan’ny mpanao velakevitra fa mahafeno fepetra eo amin’ny fanatontoloana ny teny malagasy satria manan-tsata sy manan-kery. Zava-dehibe araka izany ny fanatevenana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny famohazana ireo teny tranainy, famoronana teny vaovao, fanomezan-danja ny fandikan-teny, fanazarana ny olona hiteny malagasy madio amin’ny haino aman-jery...
 
Olo-manan-kaja maro no nanotrona ity fotoan-dehibe ity :
  • Ny tale Jeneralin’ny Kolontsaina eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina
  • Ny mpanolotsaina teknika eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina
  • Ireo tale samihafa sy ireo lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina
  • Ny mpandrindra eo anivon’ny I.K.M.
  • Ny Filohan’ny F.M.T.S., Filohan’ny FIMPIMA, Filohan’ny fikambanana samihafa eo anivon’ny F.M.T.S.
  • Mpanao Gazety samihafa
Fa ho anao izay tsy nanatrika ny hetsika dia manasa anao indrindra hianoka  ny ampahany tamin’ny tononkalo novetsoina tamin’izany.
“Fa ahy ianao ry teniko, hany tenindrazako
Na tsy ho tia anao intsony, ireo Havana sy namako?
Hatrany aho mila anao ary hanoratra ny tanako
Hanandratra anao ho avo izany vavako
F’inona izay vitan’ny saiko hotakarina
Raha tsy eo ianao hitoetra ho an’ny taranako?
Fa teny andrianin’ny saina amam-panahiko
Teny ibeazako, teny hanandratako ilay MADAGASIKARAKO”
Ratsifa
 
Antenaina fa hameloma-maso hatrany ny teny malagasy ny teratany malagasy manerana izao tontolo izao na aiza na aiza misy azy. Ny firesahana sy fanehoan-kevitra amin’ny teny malagasy dia efa  anisan’ny fanomezan-kasina an’i Madagasikara tany niaviana. Izahay eto amin’ny Pôetawebs dia maniry soa ny tenindreny ho velo-maharitra amin’ny Malagasy tsy an-kanavaka ary hiampita hatrany amin’ny taranaka fara mandimby.
 
Tatitra sy sary : Tsikimilamina Rakotomavo
TENINDRENY 2019 TENINDRENY 2019
Velakevitra : Harilala Ranjatohery notronin'i Lalao Rabenandrasana
Haingo Rasolondraibe Talem-paritry ny Kolontsaina Analamanga,
Mpanolotsaina teknika (Njaka sy DJgouty)


TENINDRENY 2019 TENINDRENY 2019
Haja sy Ravaka
Ratsifa, Mero Kosiky, Tiavina
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 23/02/2019